image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found
Allez vers Moov.mg
Publications: 11916

Miarahaba an-tsika rehetra! Mba nahangona vola misimisy ihany dia tapakevitra ny hanamboatra trano. Reko sy hitako matetika fa maro @ isika malagasy no niantsena tany Chine tamin'ny nanangana sy indrindra indrindra namita trano. Mba mangataka fizarana trai-kefa eto fa mieritreritra ny hande ho any @ volana avrily. Karazan'entana tsara vidiana any? Transitaire? Fitandremana tokony ho raisina? Fikafika madinidinika e! Misaotra mialoha


Raha ny fahalalako azy dia efa misy karazana réseau (sens positif io fa tsy négatif an): izany hoe mila mahafantatra ireo tena efa pro @ io resaka io ianao. ireo efa manana traikefa zany. Izaho aloha tsy mbola tany fa havana akaiky no tany ary nilaza izy fa tena intéressant tokoa hono (ataoko hono fa izy no niresaka). Indroa izy io no efa tany fa tsy nandeha irery fa niaraka t@ ireo olona efa katraka zany.Aleo zany mifandray @ ireo efa mahay azy.Miala tsiny fa tsy tena mamaly ny question nao.


Ny placo platre, laine de verre, carreaux, appareil sanitaire, menuiserie en alu, cuisine, meuble de douche ireo no novidiana tany chine ary mora ny vidina satria dia entre 1/4 hatr@ny 1/2 ny vidiny aty no vidiny any, mila manatona transitaire manana olona malagasy any chine ary spécialiste resaka matériaux de construction, io transitaire io ihany no manao groupage ny entana, tsara jerena ihany aloha ny trnasitaire soa sanatria ka manao ohatran'ny smart cargo ka dia very vola an!Raha betsaka ny quantité an'ny entana vidiana dia intéressant ilay mandeha any Chine mividy entana fa raha kelikely dia tsy mahaleo ny sariny ny vidiny satria ny frais sy ny vola laninao any dia hampiakatra ny vidin'ny entana.


ny efa hitako dia olona gasy nividy zezika (engrais) tany chine fa nony tonga tao Toamasina ny conteneur dia vato daholo no tao anatiny.


Misaotra antsika rehetra namaly.Hono hoy aho ry gasybabakoto? Sy ho an'ireo izay rehetra afaka mamaly. Ary ny resaka carreaux? Reko hoe tena farany mora indrindra ny carreaux any. Fa efa naheno koa hoe be vaky lasa tsy ampy ilay izy tonga aty. Izay efa nividy, mila maka marge firy % @ilay vaky? Dia misy fitandremana manokana tokony atao ve ampihena ny fahavakisana?Efa misy mahafantatra ve ny momba izany transitaire hoe antsoina hoe Innova? Sao mba misy tsara laza momba ny materiaux de construction fantatrareo? Inona ny zavatra nitranga t@ zany smart cargo raha tsy mahadiso?Raha entana hanaovana finition ana 450 m2 habitables ve azo lazaina fa anisan'ny grande quantite ahavoazana mankany? Manampy ireo lazainao eo ambony ireo ny portes de communication, parquet stratifie, porte de placard, robineterie, cablage electricite sy ny interrupteur etc etcMaro be ireto fanontaniana manitikitika ny saiko


Tena mora ny carreau fa raha manana fotoana dia hatrehina ny hanaonan-drizareo livraison any @ ny port hanaovana groupage izany hoe mila jerina tsirairay ny carreau na fara faharatsiny raha tsy manana fotoana dia mba ahotsana ny carton raha maneno dia misy vaky izay, ny vaky aloha dia tsy maintsy hisy foana indrindra fa @ manutention fa dia aleo tonga dia maka marge + 10% na 15% @ surface totale.Ny smart cargo dia anisany ny transitaire nanao prestation tsara taloha satria dia efa nanana ekipa any chine izy afaka manampy anao mividy entana saingy taty aoriana ny vola ny mpanjifa efa voaloa nefa ny entana tsy tafavoaka sy tsy tonga taty Mada akoryIreo entana voalazanao hafa ireo dia mora tokoa any ary raha io habean'ny tranonao io dia azahoana ny mandeha mividy entana mivantana any Chine sady any ianao afaka misafidy ilay qualité tena tsara na natokana ho an'ny norme EU.


Tsy manakivy anareo aho fa raha trano hipetrahako aleoko materiaux europeana na sud-af farafaharatsiny no hanaovana azy. Ny vita sinoa hita ihany ny tsy fahatezany na dia toa heverina ho tsara aza.