image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found
Allez vers Moov.mg
Publications: 11916

Miarahaba antsika mpamaky ity forum ity.Mba te hanontany ny hevitrareo aho, indrindra moa ireo izay mahalala sy mety efa niaina ny zavatra lalovako amin'izao.Kristiana ny tenako, nohon ny asa sy ny fitaizana dia tsy mbola manana andraikitra any ampiangonana aho nefa tena mpino ary miezaka isan'andro manabe sy manoritra lŕlana ho an'ireto zanako amin'ny finoana kristiana.Telo taona lasa izay, nandalo sedra mafy izahay ary tafalatsaka lalina tanatin'ireo sujet nambarako ireo ny vadiko,milaza izy fa itoerana zazavavindrano, miresaka amin kalanoro ary lasa tena mandala tanteraka ny finoana nenti paharazana, tany amin'iny faritr Ambatondrazaka iny moa no nandraisany izan reetra izany.Vokatr'izany anefa, nifandrafy ny fianakaviana, very ny fanananay, very ny hasin ny tokatranonay. Fa na izany aza, tsy niala teo akaikiny aho,satria marary tsy zakako ny hampizaka ny tsy fisiany imason ireto zanakay na inona nitranga na inona niseho. Ankehiriny anefa, na betsaka aza ny simba, tsy miova izy, ary io sujet io mampifandona anay presque isan andro, satria raha nivady izahay, tsy ohatr izao no nahafantarako azy, isan andro aho mivavaka, alohan ny hatory mitarika ny ankohonako mivavaka, miara mivavaka aminay izy nef avy eo misy efitra izay ao aminay itokanany izay tsy tiko ho fantatra akory izay hataony ao.Mihevitra aho fa tsisy issue intsony ny aminay, izy tsy mety manaiky ny réalité, mino sy matoky fa tsy diso amin izay tsy mety nataony, mino sy miandry zavatra tsy takatrin ny saina, tsy azo raisonerna intsony fa vao miresaka sahala amin'ny very saina angaha.Malahelo ary te hanampy azy aho nefa tsy hitako ny hevitra, fantatro fa mirafy amin ny finoako ny finoany ary tsy sitrako ny hisian izany ao an tokatranona, tiako izahay hanana fijery tokana, amin'ny fanabeazana ny zanakay nefa amin'ny fomba ahoana? raha efa maro ny loza naterak io finoany io, tsy te hiaina mihoatra izany aho nefa ny mpivady tokony ifanohana, hifanampy, hifanoro, ny mariazinay natolotra teo anoloan Andriamanitra, mino tanteraka aho fa tsy maitsy handresy


Eksodosy 22:18 AZA VELOMINA IZAY VEHIVAVY MANANA ODY hoy ny Soratra Masina.Aza mety asiana zioga hafa hikambananareo amin'ny tsy mino.Anaka raha taomin'ny mpanota ianao, aza manaiky Ohabolana 1:10


mitovy tsika sy ianao fa tsy fantatro ianao na lehilahy na vehivavy ,fa za alo dia lehilahy ary io mintsy no iainako atramizao,tena mikorontana ambony ambany mintsy ny fianako amizao nefa za mba manana asa tsara ara dalana ihany,ny any ataoko zao dia miala aminy tokantrano mintsy dia manampy ny zanako za,fa ra fanambadiana dia tena tsisy tsony,na misakafo aza za tsy sahy minana sakafo any tsony satry fantatro fa asiny zavatra sakafo hoaniko ary tena efa ady be mintsy nenay tamizay,fa ny mahagaga ana izy mivavaka tsara mintsy,ary tena mety @ izy mianakavy le zavatra,fa ny saiko mintsy no tsy tsony,satry tena contreko tanteraka io zavatra io ,izy tsy manaiky fa manao iany.


Misaotra indrindra anareo izay namaly.Rose>> tena nanampy ahy ny torohevitrao, efa nanao izay azoko atao aho ampisokatra ny masony ahitany fa diso lalŕna izy, fa dia mahavariana fa mahita raison anatin ny sans raison angaha no ilazako azy, mahita raisonnement tsy mitombona amze zvt mitranga tsy mety amin ny fiainanay, enfin, mahita excuse amzay tsy mety ataony, excuse misavombona (superstition) nefa tena convaincu iz ary mampalahelo mahasosotra ahy.Za tsy te hanary azy satria hitako fa very izy ary izay no andraikitrin ny mpivady raha ny eritreritro, mifanoro sy mifanavotra, matoky aho fa tsy very tanteraka iz fa mbola misy azoko atao atreto nefa mila fanampiana aho fa fantatro fa na mino aza aho, tsy ampy sy maivana ny finoako. Nieritreritra hanantona mopera aho satria moa izahay katolika, hanazava ny saiko sy hankahery ara panahy ahy amin ny ady mbola miandry ahy ary avy eo entiko izy miaraka amiko, iz rahateo tsy manda fa atreto tsy mety tanteraka izay faniriako izay.ouuggg22>>vhv aho manoratra, ny ahy mariazy natolotra tanoloan Andriamanitra, efa izy no manam pahefana voalohany amin'izany, ny vadiko koa na diso lalana az, ef natolotra ho azy ny fanahiny tamin'iz natao batemy, namafisina tamin ny fandraisana ny vatan'I Kristy, raha mbola mino koa aho tsy hamela ny devoly hisompatra ny fiainanay satria manana ny fitaovam piadina mafy indrindra, dia ny finoako, mila herim po sy herin tsaina fotsiny na dia sarotra aza indraindray.Ny zanako rahateo tsy tiako hiaina fiainana mikorontana ary raha mbola azoko atao dia hiady aho. Mankahery anao koa aho, mety tsy hitovy fisainana isika nefa tadidio fa raha mino tokoa ianao, tokony tsy hanaiky resy na mafy aza ny ady.


Miarahaba anao ry askingwhy Mba manantona an'i Mompera Joseph. Tompon'andraikitry ny Chapelle Victoire Rasoamanarivo Andohalo izy (eo an-tokontanin'ny cathédrale Andohalo no misy io Chapelle io).Lazalazao azy ny olanao.Nanatrika recollection niaraka taminy aho no nahitako fa olona vontom-pinoana izy ary afaka hiresahana tsara.Mino sy matoky aho fa ny dinidinikareo dia hampiova ny fiainanao.Mahereza mandrakariva. Mahafinaritra ahy loatra ny fisainanao mandŕla ny tena catholicisme.


Katolika fôpla>> misaotra anao amin ny torohevitra, fanontaniana anatin ny faraingo sosona ftsn, fa maninona ny pseudo anao no kalolika fôpla nef ianao manana torohevitra tsara ohatrizao.Marihiko ftsn aloha fa ŕ l'origine za protestante, nivady izahay dia nanaraka azy aho satria tiako raha lŕlana iray sy fomba fijery iray no hanabeazana ny zanakay ary mora amiko kokoa ny manohana sy manaraka azy ireo amin ny fanolorana ny fiainany ho an Tompo raha mitovy finoana izahay.Misaotra betsaka indrindra satria faniriana efa hatrin ny ela ny ahy hanantona mompera nefa ny marina tsy mbola mafantatra hoe iza no tena tsara antonina dia mangataka andro foana, fa misaotra ary ataoko izay ahatanteraka an'io farak'izay haingana.


Askingwhy & Co : Ilay Jiro fanilon'ny tokantranonareo mihitsy no indro matroka sy manetroka tanteraka, hany ka mora tamin'ny fahavalo no nitampify tao anatin'ilay aizina, sy nanjaka tao ka nanomboka nanimba izay rehetra voatsangana.Ny antony voalohany izay mety nahatonga ny vadinao hiditra amin'ilay "resaka" dia satria nanankina be loatra ny fiainana ara-nofo izy (Tsy mahatoky fa "ny olon'Andriamanitra marina dia velon'ny finoana".Rehefa ny olona no manome lanja manokana ny materiel (ara-nofo) dia mora ho an'ny mpanjakan'izao tontolo izao, no mandŕvo azy. Manaova fifadian-kanina ( tsy misotro rano na manendry hanina) mandritry ny telo andro misesy, mifantoka amin'ny famakiana baiboly mifantoka tsara amin'izay voasoratra, no handaniana ireo telo andro ireo, entinao manohitra ilay fanahy tsy mahonona ao anatin'ny vadinao. hanokatra lŕlana ho anao @izany ny mpahary, ho entinao manaisotra ilay fanahin-jazavavindrano ao anatiny.Mirary soa ho anao dia mahereza fa hampandresy anao i Kristy


askingwhy Tsy misy tokony hisaoranao. Mpanompo tsy mahasoa aho. Izay tokony nataoko ihany no nataoko.Ianao efa ao anaty fanambadiana ka tsy fantatro ny mitovy lenta @ séminaire natrehiko faha-tanora "VONJEO NY FIANAKAVIANA" izay nataon'i Zoky Eddy t@ izany.Tsy haiko raha mbola misy io seminera io, fa raha ho ahy manokana dia nampianatra ahy hifantoka bebe kokoa t@ Andriamanitra, ary nampametrahanay tanteraka ny tokantranonay t@ Izy Tompo. Ohatry ny hoe notanisain'i Leiry t@ izany ny toetra ratsiko.hihihi...T@ mariazinay dia efa napetraka fa i Kristy no MANDIDY SY MANAPAKA ny tokantranonay, fa tsy izaho na ny vadiko.Na izany aza dia misy ihany koa ny Centre eny Androhibe izay natao hanaovana retraite na recollection (mpivady na mpianakavy no miaraka). Centre Jesuite io. Ahazoanao aim-panahy be dia be io. Ny mampalahelo dia maro dia maro ny catholique tsy mahafantatra ny fisian'io toerana io sy ny zavatsoa mety ho azo ao.


katolika fôpla >>> inona ny anaran'zany centre eo Androhibe zany? ahoana ny fomba atao ahafahana manao la retraite ao?Misaotra indrindra


radadatoa >>>Ampitan'ny fiviliana mankany @ ENAM, matetika misy taxi mijanona eo. Dia io vavahady io.Somary misy alaala-na pins ireo.Midira ao dia anontanio ao fa misy programmes ry zareo mikasika io. Misy efitra azo atoriana ao raha maharitra andro vitsivitsy ny hitokananareo ao.Namako tratry ny AVC no niova fo, ary lasa nanao fitokanana tao no nahatsapa sy niresaka ny soa azony tao.Misy fampianarana betsaka mikasika ny finoana katolika koa ao. Izay @ ankapobeny tsy ho hita ety ivelany (am-piangonana...)Mirary soa indrindra.