"NY SAKA sy ny TOTOZY"
Indray mandeha ity saka hono
Nantsoin'izay totozy izay
Ndeha isika samy hatono
Ka ho hita izay tsy may
Ny totozy nialoha
Nototofana kitay
Andraso andraso hoy izy aloha
Nihady lavaka izy zay
Areheto amin'izay
Nisitrika izy fa tsy may
Noho ny afaka avy teo
Dia ny rehaka ho mahay
Fa ny saka kosa hono
Nihady lavaka tsy hainy
Tao izy dia voatono
Ary tapitra ny ainy