Amiko ny ray aman-dreny no tena tompon'andraikitra voalohany amin'ny fitaizana ny zanany ary izay fitaizany azy na tiany kapohina na tsia. Ny ankoatra izay tsy manan-jo na oviana na oviana hikasitanana sy hampijaly zanak'olona. Ny ahy aloha dia mahita raharaha amiko raha izany no mitranga. Ohatra ataon-tsika hoe mety hoe tara ilay zaza, na tsy nahavita devoiara na tsy nahay lesona na asa... Dia zon'ny mpampianatra ve ny hanasazy nefa ny antony mety zaza tsy miaina anaty filaminana any an-tranony, manana olana, tsy manampotoana hianarana koa rehefa any an-trano ohatra, betsaka ny ohatra azo ambara. Tantara efa an-taonany maro ity tamin'izaho mbola teny an-tsekoly. Nampiasa ireny agenda scolaire ireny izahay ary tsy maintsy soratana ao devoara rehetra ary asaina soniavin'ny ray aman-dreny rehefa any an-trano (hanarahan'ny ray aman-dreny hoe misy devoiara, nahavita sa tsia). Diso toerana ary ny nasian'ity namako ny soratra nataony, hany ka raha voasava dia tsy hitany, nanitrikitrika izy hoe tena nanasonia mihintsy ny dadany, vao maika voatrerona hoe mbola mandainga koa sady tonga dia felaka nirefodrefotra teny amin'ny tarehiny latsaka ny ranomasony (na izaho tsy izy aza, 5čme teo izahay). Avy eo nokarohiny tao foana dia hitany dia nasehony ilay madama hoe ity ilay izy madama fa diso toerana... izy efa voafelaka, voatrerona, afa-baraka eo ana-trehany ankizy rehetra. Isika izany zatra mikitakita sns fa tsy solution io e. on attrape une mouche avec du miel