Miombon-kevitra aminao aho hoe tena mafy ny asan'ny mpampianatra amin'izao satria betsaka ny ray aman-dreny démissionnaires, marary anaka ka tsy maha sahy miteny ny zanany.Tsy mikasika ny mpampianatra io resahako io ambony io aloha fa mikasika ny ray aman-dreny tompon-janaka. Ny éducation dia affaires de disciplines et de rčgles. Vao kely ny zaza dia ampianarina manaraka ny rčgles sy disciplines ary anjaran'ny ray aman-dreny roa tonta ny mametraka izany. Ampafantarina ny zaza ny sanction ho azony raha toa ka tsy manaraka ny fitsipika napetraka izy, ka na inona na inona mitranga dia tanana ny zavatra nolazaina. Ny zaza dia mi "jauger" ny limites-ny olon-dehibe foana, manao caprices, mafy loha, fa rehefa mitana ny lamina napetraka ny ray aman-dreny ary tsy milefaka mihintsy dia mahatsapa ho azy ny ankizy hoe atreto ny fetra tsy azo hioarana. Mila entitra tsara rehefa mametraka fitsipika, atao tsapan'ny zaza fa tsy fiangaviana ny anao fa ordre mila arahina ary tsy misy négociation. Mila tonga ato antrano ianao amin'izao, mila voampirina ny efitranonao rehefa tonga aho, ohatra. Ny fomba fitaizana tsara indrindra dia ny "responsabilisation" ny ankizy, izany hoe ampafantarina ny ankizy hoe inona no zavatra tianao ho ataony, inona no zavatra mitranga raha toa ka tsy manaraka an'izany izy. Ny sanction dia tokony proportionnel amin'ilay zavatra natao sy arakaraky ny taonan'ilay zaza mba hatsapany ny conséquence-ny zavatra nataony. Ary averiko indray, n'inon'inona zavatra mitranga dia tazomina foana ny sazy izay nolazaina. Indraindray koa, manova ny zaza kokoa ra avela izy higoka irery ny valin'ny ditrany. Ohatra, Navelanao nivoka niaraka tamin'ny n******* izy nefa tsy nody tamin'ny ora tokony hodina ary tsy nampilaza, vao maika mody aloha izy amin'ny manaraka. Niady tany izy ka nanimba zavatra ka mila soloina ilay izy, ny argent de poche-ny no andoavana an'ilay izy. Na oe, ajanona ny activité iray ohatra i-payéna ilay izy. Tsy mety manao ny anjara raharahany izy fa namela ny zandriny na ny zokiny anao izany irery, ny ampitso, izy irery no miandraikitra ny raharaha rehetra.Ohatra vitsivitsy ireo fa anjaran'ny ray aman-dreny no manampy azy. Ny principe fotsiny dia ny mampiditra ao antsain'ny zaza dieny mbola kely hoe misy vokany daholo ny zavatra atao. Tsy vitan'ny bla bla fa arahina etsika mivantana mba ijanona eo andohan'ny ankizy oe non respect de la discipline = sanction. Manarak'izay, ilaina ny miresaka amin'ny ankizy (indrindra raha mbola kely izy) hoe inona no antony maha bedy azy. Fa tsy hoe bedibedy fahatany amizao.