Ilaina tompoko ny famaizana fa ny darok'alika toyireny nitranga tetsy anjanahary ireny no tsymety.Misy karazana famaizana sy kapoka tompoko azo hamaizana ny mpianatra na ny ankizy ary azo atao tsara. Ny mpampianatra dia tokony hahay handray tsara ny atao hoe famaizana fa tsy daroka no entina hanabeazana. Hafa ny kapoka ary hafa ny daroka. Hazavaiko ho antsika RAD ary indrindra MPAMPIANATRA. Ny mpianatra rehefa tsy mahay na tsy manao devoir dia misy fomba fibedesana azy, ohatra somary kapohina kely ny tanany, hamafisiko etoana fa tsy kapoka hoe marary mafy na hitondra fanaintainana ho azy fa kosa kapoka mba ho fantany fa tsy mety ny ataony, toy ny RAD ao antrano ihany somary mikapoka kely ireny zanany ireny izy fa tsy kapoka hitondra fanaintainana no ataony, dia toy izany koa ianareo mpampianatra, kapoka atao hanabeazana kanefa tsy hitondra fanaintainana ho an'ny mpianatra, ary arahina fitenenana mafy fa iny de efa mahatonga saina azy sy hampiova azy. Hitany hoe masika ny mpanabe raha vao mahazo kapoka kely izy. Izay ny torohevitro. Misaotra anareo mpanabe rehetra handray ny tandrify anareo fa tsy mety kosa raha atao toy ny zanabazaha ka avela hanarapo ny zaza any antsekoly.Misy adinoko kely, ry MPAMPIANATRA SY MPANABE, MBA AMPIASAO RE NY NUMERO TEL TAKINAREO ANY ANATY CARNET DE CORRESPONDANCE, asainareo fenoina obligatoire ireny kanefa tsy ampiasaina akory rehefa misy ny PROBLEME.