image not found image not found image not found image not found image not found
Allez vers Moov.mg
Member
Publications: 12

Misy mahalala ny fisian'izany "Permis d'habiter" izany ve isika ?


Miarahaba antsika rehetra aloha e! Azafady fa tena adino iny.


raha ny fahalalako azy dia fahazoan-dalana hampiasa ny trano iray vao avy naorina aorian'ny fitsirihana farany ataon'ny ekipa teknika. Manomboka eo no anomezana ny adiresy mazava, ny kaontin'andro voalohany @ hikajiana ny 10 taona tsy handoavanao hetran-trano.


Misaotra anao!Raha azoko tsara izany dia ny 10 taona voalohany tsy tokony hisy hetra-trano mihitsy. Nefa ilay commune dia mangataka hetra-trano tsotra izao.


anampiako ny voazan'i kazanov: rehefa vita ny trano (nahazo permis de construire ara-dalŕna ioa an) dia mangatak permis d'habiter. Dia zay vao mahaazo ilay 10 ans. Raha tsy manao permis d'habiter ianao dia ho avy foana ny commune handrefy ny tranonao sy handefa hetra.


Aleo izany aloha ilay vola @ fangatahana permis d'habiter mba ahafahana misitraka ilay 10 taona.Misaotra anareo rehetra!


Fa le izy ve folo taona sa 5 taona e ? Toa 5 taona mantsy no hitako tamina document tany ho any.


5 taona ny permis d'habiter kah


Folo taona :rehefa mahazo permis d'habiter ianao dia tsy mandoa hetrantrano mandritra ny dimy taona, ŕ compter date permis d'habiter


Tsy elabe izany ny fahazoana ny permis d'habiter. Manao taratasy fangatahana permis d'habiter ao @ commune. Raisin'ny commune iny dia miantso dokotera izy dia mpiasan'ny commune sy dokotera no midina mijery hoe conforme tsara ve ilay trano (conforme @ dossier permis de construire efa any @ zareo). Misy taratasy fenoin'ny dokotera ary soniaviny dia omeny ilay mpiasan'ny commune. Vetivety ao aorinan'io dia azo ny permis. Ny fotoana nanaovana an'ireo 2 jours raha be indrindra. Marihiko fa commune tsy antananarivo renivohitra akory io an.Ny franchisen'ny impots indray 5 ans ŕ partir ny nahazoana permis. Ny permis d'habiter valable mandrakizay foana.Vita tompoko