image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found
Allez vers Moov.mg
Publications: 11916

Miarahaba antsika rht. Vehivavy no manoratra, izaho dia manana zandry lahy 15 taona tena maditra. Maditra hoy aho satria tato anatin'ny 4mois zay mandeha mivoaka ny trano foana isan'nandro nefa tsy mianatra mihitsy fa mandendeha miaraka amin'ireo namany fotsiny.Ny fisotroana toaka sy fifohana sigara etsy andaniny ary matetika miady aman'olona dia maratra mody ao atrano. Fanampiny dia mangalatra volanay ao atrano foana no ataony, tamin'ny voalohany vola madinidinika mipetrapetraka na any anaty kitapo dia angalany fona fa amin'izao dia mavita mangalatra betsaka mihitsy.Ny tena olana dia tsy mba henoiny teny mihitsy na ny RAD na ny zokinay ary za moa dia tsy rarahiny izany. Raha vao miteny azy dia valiany na lasa izy mandeha dia tsy mody an-trano raha tsy efa afaka ny fony.Mba toroy hevitra ry zareo hoe inona no tokony ho atao fa dia tena efa lany aiky mihitsy amin'ny fananarana azy fa tsy misy fiovana hatreto.Misaotra antsika.


Tsy misy vaha-olana aroso aho fa fanamarihana kely ho antsika izay mamerimberina hoe "avelao izy handeha any; avelao ny fiainana no hananatra azy!"Jereo ilay trangan-javatra tao Ambohitrarahaba. Raha vao manao heloka ary indrindra heloka be vava ny zaza tsy ampy taona (= moins de 18 ans), dia tompon' andraikitra feno ny RAR-ny. Ka raha mbola azo atao, tazomy re ny zanakareo, aza mora kivy, ary ataovy ny ala-nenina rehetra!Mahereza!


Tena sarotra io ary mampalahelo ny RAR iarany. Raha mbola mineur dia tezao ao antrano ihany fa rehefa majeur dia avelao anarin'ny fiainana. Tranga fantatro, naditra tamin'ny kely, lany aika ny RAR, nampianatra, nanatona psychologue ry zareo mianakavy mihitsy, nila torohevitra tamina mpitondra fivavahana, nampanao camp, activité isankarazany hoe hahendry, narahana hoe inona ny fianarana tiany atao, mba afaka bacc ihany.Nanontaniana mbola hanohy ve ? Nanaiky, nianatra tamin'ny univ publique, tsy tia tany indray nafindra univ privée, farany lany vola ny RAR ny ditra vao mainka nitombo. Ny iray zokiny, mba nihahendry nitohy nianatra tam univ publique fa rehefa nahazo licence niverina naditra be lany vola indray ny RAR nanavotra azy tany ampigadrana, zao vao mba hendry nanarin?ny fiainana ka. Ny iray zandry te-hanao marin hono nalefa tany majunga tsisy fianarana vita.Zao ny RAR tra-nenina, tahakizay navela nanao izay tiany atramin?izareo mbola kely dia nionona fa nanana ny maditra. Zao samy mandeha any amin?izay alehany tsy fefena intsony fa rehefa mody indrindra ilay zandriolona mamono ny RAR, mangalatra ny ao antrano tsis ohatr?izany, ny RAR mihantitra. Fanapahankevitry zareo mivady namidy daholo ny fananana rehetra afa-tsy ny trano ipetrahan?izy mivady ihany anaovany izay tiany hono amin?ny andro kely sisa iainany. Tena mapalahelo, nefa fianakaviana mivavaka, ankizy notezaina tsara tamin?ny mbola kely fa nanomboka 13 -14 ans tena nivadika biby. Ka rehefa hita tsy misy fanafany, marina fa mamy ny zanaka dia mila mandray fanapahakevitra hentitra fa adintsaina aman-taonany maro.


Ny anay ndray tsy izany fa tsy mety mitady asa


ezaho anehoana fitiavana izy fa raha mbola kitakita sy gidragidra isan'andro no iainany dia ho zary lasa fahavalo indray ny ao an-trano mba hiverenan'ny fisainany na dia kely fotsiny aza fa ireny no mitombo hanova azy! aza adino ny mivavaka ho azy