image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found
Allez vers Moov.mg
Publications: 11916

Miarahaba antsika rht. Vehivavy no manoratra, izaho dia manana zandry lahy 15 taona tena maditra. Maditra hoy aho satria tato anatin'ny 4mois zay mandeha mivoaka ny trano foana isan'nandro nefa tsy mianatra mihitsy fa mandendeha miaraka amin'ireo namany fotsiny.Ny fisotroana toaka sy fifohana sigara etsy andaniny ary matetika miady aman'olona dia maratra mody ao atrano. Fanampiny dia mangalatra volanay ao atrano foana no ataony, tamin'ny voalohany vola madinidinika mipetrapetraka na any anaty kitapo dia angalany fona fa amin'izao dia mavita mangalatra betsaka mihitsy.Ny tena olana dia tsy mba henoiny teny mihitsy na ny RAD na ny zokinay ary za moa dia tsy rarahiny izany. Raha vao miteny azy dia valiany na lasa izy mandeha dia tsy mody an-trano raha tsy efa afaka ny fony.Mba toroy hevitra ry zareo hoe inona no tokony ho atao fa dia tena efa lany aiky mihitsy amin'ny fananarana azy fa tsy misy fiovana hatreto.Misaotra antsika.


Izaho koa efa sendran'ny ankizy maditra ohatran'izany fa dia lany aiky @ fitenenana, ary ny olona ary milaza mihitsy hoe ianareo fianakaviana akaiky tsy mahay mananatra nefa dia efa atao daholo izao rehetra izao, tenenina mafy, tambatambazana, resahana carte sur table fa dia tsy misy vokany.Ny farany dia ny fiainana sisa no mety hanitsy azy rehefa afa-nenina ianao ao antrano. Ny vola sy ny entana ao antrano fotsiny no tandremana, ary ny anay dia nihafarany dia izahay mihitsy no niantso polisy nanidy azy tany @ violon fa dia tia mandray zavatra tsy an'ny tena, izay ilay hoe fianana sisa no manitsy azy rehefa tsy mihaino fananarana


Tsy hoe manakivy anao sanatria fa misy karazana ankizy sy olona maditra tsy laitra hanarina mihitsy, ka tao arian'ny nampidirana azy violon dia niova kely izy fa dia tanana zatra mivokona tsy mitsotra intsony ka dia ny niafarany dia notapahana hatreo mihitsy ny fifandraisana, miezaka ny tsy mifanerasera aminy matetika intsony fa saingy rehefa misy mahavoa azy any dia tonga eo aminao ihany izy fa ny fianakaviana no mila manao mafy fo.Ny maha samihafa ny antsika ny anay efa miahotra ny 18 taona fa ny anao mbola mineur


Izy mbola mineur io mihitsy no tena mahavaky ny loha sy mankarary ny fo. Tenenina izy tsy mba mihaino, avela manao izay tiany atao anefa mahasorena. Soa ihany aloha fa mbola izahay ato an-trano no tena anaparany ny haditrŕny, ny any ivelany mbola tsy nandrenesana fitarainana kanefa raha ny toetrany hita amin'izao dia mety ho ratsy ihany.


zaza maditra tsy voahanatra intsony ŕ 15ans izany, couper-o daholo ny vivre rehetra tokony omena azy, ohatrahidio lakilé mafy tsara daholo ny armoire rehetrarehefa mangataka dia aza omenaasaivo mitady asa raha te hanambolaovao ny serrurerehefa tsy tonga amin'ny ora fisakafoanana dia sasao ny vilia sy vilany aza asiana reste ho azy izany na hoe saromana eo ny anjara sakafonyaza masiaka na miteny azy intsony fa avelao ho baranahany izay ataony, farany rehefa mangalatra any ankafa izy dia migadra dia afaka ny fahasahirananareo RADzaza maditra raha tsy voa tsy fay ary tsy ny RAD no mahahendry azy fa olona tsy anatin'ny fianakaviana


psy> ilay hoe hiděna ny armoire, tsy omena vola sy ireo voalazanao eo ambony aloha efa presque nataonay daholo mihitsy e. Fa ilay hoe tsy hiteny azy intsony no somary manahirana kely. Raha sanatria tokoa mantsy ka mangalatra any ankafa izy ka migadra, tsy vao maika ve ho sahirana izahay no sady afa-baraka amin'ny manodidina? Ary ny tena atahorana aza dia ho vonoin'ny olona fa tsy higadra ka voatery manitsy azy ihany aloha.$ongomby> Efa notezaina tamin'ny fomba kristianina ihany ilay ankizy ary efa mba mananatra sy manitsy azy hatrany izahay fa dia tsy hay hoe maninona no zao no tatŕzana. Na izany aza tsy kivy fa mivavaka ho azy hatrany e.


Index f'angaha mbola tsy afabaraka anreo izao? sa mbola tsy sahirana koa?tsy voahitsinareo io zaza io fa mila olona ivelan'ny fianakaviana manitsy azyefa mpangalatra io zaza io na hoe ny volanareo ao antrano ihany no hangaliriny, ary rehefa tsy mmisy hangalarina izy dia voatery mitady any ankafa, nefa ny zaza maditra dia ny ao antrano ihany no faiziny alohan'izy hangalatra any ivelany satria fantany fa ny ao antrano tsy hanagadra sy tsy hikapoka azyzaza maditra mineur dia tsy voahanatra, rehefa manao sipa izy vao miova koa


émission hitako tamin'ny télé no tantaraiko.Nalefa tany amin'ny toerana lavitra ilay ankizy, miaina miaraka amin'ny fianakaviana hafa izay mivavaka kosa, dia tonga saina mihitsy tany ilay tanora.Fa association chrétienne ilay mampifandray ireo tanora maditra sy ireo fianakaviana alehany. Fa raha ao Mada angamba: tsara mitady izay karazana structure chrétienne izay, manatona pasitera na mopera manontany sy manazava. Fa mino aho fa tena misy solution azon'izy ireny aroso.Mahereza


vaha-olana> Nisy fotoana izahay efa niresaka tamin'ny lehibe tao amin'ny fiangonana ka zareo no nananatra mivantana ilay zaza nefa tsy nisy fiantraikany ilay izy ka ny fitondrŕna am-bavaka aloha no vahaolana nomen'zareo taorinan'izay.Aleo angamba mopera indray no andramana antonina araka ny voalazanao, angalŕna torohevitra ny amin'ireny karazana structure chrétienne, kilasy mandry sns...


io kilasy mandry io koa no mety ho tsara aminy sy aminareo fa fakafakao tsara ihany ilay ametrahana azy hoe manao ahoana ny fijerin'ny olona ilay kilasy mandry.