image not found image not found image not found image not found image not found image not found
Allez vers Moov.mg
Publications: 11916

Miarahaba antsika rht. Vehivavy no manoratra, izaho dia manana zandry lahy 15 taona tena maditra. Maditra hoy aho satria tato anatin'ny 4mois zay mandeha mivoaka ny trano foana isan'nandro nefa tsy mianatra mihitsy fa mandendeha miaraka amin'ireo namany fotsiny.Ny fisotroana toaka sy fifohana sigara etsy andaniny ary matetika miady aman'olona dia maratra mody ao atrano. Fanampiny dia mangalatra volanay ao atrano foana no ataony, tamin'ny voalohany vola madinidinika mipetrapetraka na any anaty kitapo dia angalany fona fa amin'izao dia mavita mangalatra betsaka mihitsy.Ny tena olana dia tsy mba henoiny teny mihitsy na ny RAD na ny zokinay ary za moa dia tsy rarahiny izany. Raha vao miteny azy dia valiany na lasa izy mandeha dia tsy mody an-trano raha tsy efa afaka ny fony.Mba toroy hevitra ry zareo hoe inona no tokony ho atao fa dia tena efa lany aiky mihitsy amin'ny fananarana azy fa tsy misy fiovana hatreto.Misaotra antsika.


Any amin'ireny kilasy mandry catholique ireny mijery raha mahita ianao.manantona pretra dia manontania.tsy maninona mihitsy raha toa ka ivelan'ny ville misy anareo fa mety vao maika tsara.ohatra any Antsirabe...Misy hevitra hafa koa: ampidirina miaramila zazavao. Dia afaka manao carričre koa izy any. Ary mety tena ho tiany any satria henjakenjana no misy discipline.


Ary mazava hoazy fa ilay ankizy no anontaniana izay tiany- aseho azy tsara ny lafy tsara rehetra an'ilay kilasy mandry na miaramila- azavaina azy ny fianarana ataony any- atoro azy ny discipline arahina any- ary ny soa rehetra hoazony any: namana vaovao, fianarana, diplaoma, ahitana asa...- ka entina mandeha mijery ilay toerana sy ny ao anatiny sns mihitsy izy- manao fifanarahana am-bava aminy hoe manaiky izy


index:"Taty aoriana moa vao fantatray fa hay ataony fialana any antrano fotsiny koa ilay izy fa tsy misy fika hiarahany miaraka amin'ireo n******* mantsy rehefa weekend."F'angaha nareo tsy mba manaramaso izay activité ataon'ilay zaza fa ampidirina etsy sy eroa fotsiny dia avela irery any?Tena hadisoana be ny anareo, zaza mbola mineur izany 15ans izany ka tokony asehonareo azy ny fitiavanareo azy, tsy tokony avela irery izy fa mba miaraka aminy indraindray dia manome courage azy fa tsy hoe izay tiany no atao fa tsy asiana suivi fa avela irery izy hi demerderaha tinareo ho hendry io zaza io dia aza avela irery fa miaraha aminy dia miresaka dia manazava, tsy vitan'ny hoe ampidirina kilasimandry sy ampidirina karaté na club natation dia vita


Vahaolana tena mahomby ho an'ny zaza maditra, alefa mipetraka any amin'ny havana na namana na olompantatra afaka manaramaso azy akaiky sy afaka mi dresse azy, nareo izany tsy misy manaramaso fa hoe ampidirina club de natation dia any, tsy misy mpanaraka


Zah koa ry reto dia manana zandry (17 ans)otran'izany mihitsy,nanala BACC tamn erintaona(classe de 1ere no nitifitra) dia tsy afaka,tsy nety nianatra intsony,nefa ny RAD mbola vonona ny hampianatra.Ny namandratsy no tena hita fa fototry ny olana,ka efa hoe ho soloina fianarana fa tsy nety mihitsy,mody alina matetika,indraindray tsy mody,tsy mba manao raharaha raha tsy efa terena,mamo matetika,mangala-bola ao antrano na dia efa fatatra aza fa vola natokana anaovana asa an'Andriamanitra izao aza dia hitany foana.Izah mo efa manambady ka rehefa tsy nahazo tao atranon'ny RAD intsony dia rehefa mandalo any antsenako dia mitsaitsaika,tena tsy hita izay anaovana azy.Tenenina tsy mihaino na RAD na zoky,otrn tsy misy dikany aminy,fa tena marina fa rehefa tsy mihaino anatra dia ny fiainana tokoa angamba no hananatra azy.Vao haingana zao nody alina dia saika voaendaka tany,noenjehina bandy 5 lahy,nilaza fa fay ny mody alina fa asa aloha!mba zaza notezaina t@ soratra Masina ihany saingy nanamafy loha sy fo,miandry ny famindrampon'Atra sy ny antson'Atra aminy sisa.Menatra ihany ny tena hoe ny zoky mba tafita ihany fa le zandry dia tsy mivaky loha,ny cousin any rehetra sady bossist b daolo no hendry nefa zaza mitovy fitaizana sy taona izao ihany. :(


zokivavy> Tena mahakivy mihitsy sady mahamenatr'olona ilay ditra diso tafahoatra. Nenay koa zao mbola mananana zandriny aman-taonany vitsy monja(13 taona) io ankizy maditra io, mitovy ihany ny fitaizana azy 2 nefa tsy mitovy mihitsy ny toetra aloha hatreto.Na dia izany aza anefa tsy misasatra mitady vahaolana ihany. Ekena fa marina ilay hoe rehefa tsy mihaino anatra dia ny fiainana no avela hananatra azy fa raha mbola misy azo atao dia aleo andramana ihany sao mahasoa.


mety Antony maromaro no mahatonga ny ankizy manana fitondran tena tahaka izany,mety mahatsiaro delaissé izy ao antrano tsisy mi se soucier ny olany ohatra na koa anefa au contraire libre loatra ka tsisy miteny izay ataony sy tsy ataony.Sanatria koaanie mety ny fomba fiainan ny famille ny ao antrano mihintsy no manova azy...fa indrindra dia ny namana sy izay frequenté ny any.Enjana ihany ny hoe avela hanao ze ataony fa ny fiainana no avela hanitsy,sanatria tokoa mioha pefy izy ka mangalatra,tsy mba hala botry fa sanatria tena mia ngeza ny halatra ataony miaraka am ze mitarika azy any (satria tsy omen ny ao antrano sakafo sy vola),ka sao ho torin ny olona ka higadra vao maika potika izy.na mifoka rongony any ka lasa mamono olona anyRaha mbola azo atao aloha ny miala nenina manitsy azy,satria efa tsy vita tsony ny miara miaina aminy ohatra ary tsy hay entina manaraka izay lazain ny famille ny izy,raha izaho dia itadiavana ireny toby mafy discipline ireny mihintsy notadiavina,ireny sady misy dortoir no misy fianarana ihany koa,ka mamangy azy fotsiny ny famille fa izy tsy mahazo mivoaka ao,any am zaza maditra manko tsy haiko oe diso ve ny fihevitro fa fahazahoako an io toerana io dia ankizy efa arian ny fianakaviany tsy ho raisin ny ry zareo intsony;fa raha misy ny centre io mety oe mandoa vola misolo ecolage,fa misy education misy fianarana sahaza ny taonany mihintsy e,izay tsy haiko oe misy ve zany eto amintsika


hevitro kely ity, tsy ny any antsekoly no tokony hananatra ny zaza maditra satria any efa misy discipine tokony arahan'ny mpianatra rehetra, ary raha tsy tonga mianatra matetika koa ilay zaza dia tsy misy azon'ny mpanabe atao ny aminy fa mampiantso ny RAD izy dia mi-rendre compte ny cas an'ilay zazaRehefa tsy misy vahaolana dia ampidiro sekoly miaramila


Mba andramo omena confiance ndray hoe manao n******* mankasitra ilay ditra kely nefa asiana fetra marina fa mahalasa adala mihitsy mieritreritra ny menakin'iaina ny tena manaonao foana. Ny reny matetika ataon'ny zanaka tsinontsinona fa ny ray matetika no henoiny teny. Ary indraY2 an raha miteny ny ray dia tsy dia manondrana kely aloha ny zanaka mifehi tena mihitsy ny reny tsy miteniteny azy mihitsy fa mba mety hiova kely izy amin'izay