image not found image not found image not found image not found image not found
Allez vers Moov.mg
default profile picture

rahazahenao

Member
Last seen il y a 1 an
Joined:
Posts:
114
Topics:
10

Ary hono hoy aho,dia rehefa avy niodina ka mba lasa ihany ny saina.Tsy mba mandalo ao an-dohanareo ve oe mbola hafa ihany ny manao amin'ilay vady ?

Amina sujet ohatr'izao tsy maintsy misy ny manohana sy manohitra foana .Afaka milaza izay tiany holazaina ny tsirairay.Saingy ny antony nitondrana azy ity eto dia ny mba hahafantarana ny zava-miafina rehetra ambadiky ny fampirafesana.
Mba ahafahan'ny tsirairay manitsy izay azo hahitsy @ fiainam-pitiavany sy ny fiainan-tokantranony.
Ataovy voankazo an'ala e ! Ny mamy atelemo fa ny mangidy kosa aloavy.

Felantsoa >>> Anisan'ny tombony mihitsy io equilibre lazainao io ho an'ny vady iharan'ny tsy fahampiana firaisana ao an-tokantrano.Na izany aza anefa ilaina mihitsy koa ny mandanjalanja tsara ny atao ka manajanona izany @ fotoana mahamety azy,mba tsy ho lasa fahazaran-dratsy indray ka hanimba tokan-trano.

Ka tsy tonga dia tratran'ny enquette ve eo am-panaovana match,@ izany mizesta be izany oe >

Brigida >>> raha izaho aloha ny mpitazana ,tsy misy idirako izay fiainan-tokantranonareo mivady any e ! Fiainanareo izany na hifampitory any @ tribonaly any aza.

loza aminatambo >>> Mino aho fa efa maro no efa nahatsapa koa ireto teboka maromaro nolazainao ireto,matoa mihamaro ny miroboka sy tamana @ ity RS ivelan'ny tokantrano ity,Saingy aleon'izy ireny tsy miteny satria masiaka loatra ny fitsaran'ny fiaraha-monina,na dia izay aza no hitan'izy ireny mba mampety n fiainany.

Tsy tokony hifampitsara mihitsy eto ka ! Samy olon-dehibe mahalala ny mety @ fiainany io,dia samy mba misintona lesona @ izay azo hanatsarana izany eto.

... ny 3 taona aorian'io mety efa indroa isankerinandro....

loza aminatambo >>> tsy efa mba novaliako etsy ambony kosa ve ny fanontanianao araka izay mba fahitako azy e : > Raha mbola mpisipa ka vao nanandran-tsiro dia samy nankafy,dia samy te hanamafy hatrany ilay fifankatiavana,samy te hifikitra mafy satria samy te ho tompon'ny andaniny sy ny ankilany .Ny mpisipa koa matetika tsy dia tafahaona isanandro izany,ka ohatran'ny tsy mahagaga raha vao tafahaona dia ny manao RS foana.

Fa rehefa ao an-tokantrano @ izay ,ny 2 taona voalohany aloha mety hisy RS indray mandeha isanandro.Ny 3 taona aorian'io mety efa indroa isanandro.Any @ fahafolo taonan'ny fanambadiana izany ve tsy efa mety ho 3 isambolana sisa??
Ilay izy koa izany toy ny zava-drehetra ihany e ! raha vao miverimberina lava lasa fahazarana fotsiny @ fomba sy fihetsika mitovy( tsy dia mba miovaova positions,tsy dia mba miova toerana anaovana,tsy mba atao amim-pitiavana sy anaty teny mamy,sns...) dia minoa ahy enao fa ho leo vetivety.

Kala pitsana >>>Fenoy fitiavana foana ny olon-tianao tsy ahatsiarovany intsony izay sipany any ivelany any e! Rehefa mba misy fotoana malalaka iny ianareo roa ka mba samy falifaly dia tsara foana ny miresaka izay mba itondrana ny fitiavana sy ny fiainana.Anontanio azy mazava ny heviny momba ilay sipa mba tsy hampiady saina anao isanandro eo.Avy eo ianareo miara-mijery izay vahaolana.