Rangahkely >>>>> Misy tsara ohatran'ny afa-po tanteraka @ vady kosa ve ? fa dia nahoana no mitady tsiro hafa indray raha izany ?
Miarahaba antsika rehetra ! Misy azo anatra betsaka azo raisina ity tenenin i Brikabra farany ity ! isaorana avokoa isika rehetra na izany aza mbola mifandrimbona milaza ny fahitany ny lohahevitra.
Malala Tiana >>> Ny somary iderako anao dia entinao amin'ny saina ilay fiarahana fa tsy amin'ny fo toy ny ankabeazan'ny vehivavy.Ny tena mahatsara an'izay dia ho mora kokoa ny hanajanona azy satria tsy maintsy ho tonga izay fotoana izay.
Malala Tiana >>>> Misaotra tamin'ny fijoroana vavolombelona mitondra fampieritreretana. Tsy mivoana amin'ny lohahevitra mhitsy ianao satria ianao ihany dia nanamafy fa an-dalana ho any ''" Manahy rahateo aho fa ao aoriana kely ao, noho ny fitiavako azy izay dia hanaiky hiray aminy aho. ""
Anonyme >>> Ka efa fantatrao ange izany fa ny fitiavanareo mihamarefo no mahatonga ny vadinao mihodina any ivelany dia mba ataovy ohatran ny mbola tamin ny mpisipa indray ny fiainana mba mifampikarakara be koa.Amin izay ny fitiavana mihavao dia mifankatia be indray ianareo.Sady mba mahavita manome fahafahampo foana amin izay firaisana tadiavinao koa izy amin izay.
Tantara nadika moa io izany ry Felantsoa sa niainanao mihitsy fa mampientanentana ohatran'ny mijery sarimihetsika mihitsy eo am-pakiana azy ?
Misaotra anareo fa misy hosaintsainina daholo izany rehetra izany.
Kotomaditra>>> > lasa mitia olon-kafa ankoatran ny olon-tianao ve ny tianao holazaina .Asa raha azonao hazavaina tsara azafady
Miarahaba antsika rehetra,mba hamaly kely ny tompon ny sujet .Ny fahitako ny tantaranao dia mazava : IANAO ATAO KILALAO NO TIANY FA TSY IANAO VADINY! 3 taona miara-mipetraka zany efa tokony misy dingana atao farafaharatsiny.Raharaha izany afaka hatao tsotsotra raha tena mifankatia.Mety olon-kafa koa ny tiany hovadiana fa ianao mety manome fahafaham-po azy aminny lafiny maro dia sarotra aminy ny handroaka.Raha izaho no amin ny toeranao dia aleo miala dieny tsy maratra fa ho lany zara tsy fidiny eo.Fadio dia fadio ny manao bevohoka izany sao ho vao mainka tsy hisy ray eo ny zaza.
Tsotra kely >>> Mahalaza zavatra betsaka mampieritreritra ny fijoroana vavolombelona nataonao.Mankasitraka indrindra ary manentana ny hafa mba tsy hihafahafa hilaza ny fahitany ny lohahevitra.