loza aminatambo >>> tena mahatsikaiky ahy mihitsy kosa ilay filazanao azy kanefa dia tena mampieritreritra lalina tokoa.
loza aminatambo >>> tena mahatsikaiky ahy mihitsy kosa ilay filazanao azy kanefa dia tena mampieritreritra lalina tokoa.
Ny ahy izany sady tsy momba an'ilay miteny mananatra ilay couples illégaux za no tsy momba ilay fisarahana ihany koa eh. Ipo tonga @ ilay hoe in'na akia no idirako ? Tadidio fa misy (maro) no mahita ilay equilibre @ io raha iray io, indrindra ianareo lehilahy. Sanatria tsy manome vahana ny lehilahy aho fa misy koa ny vehivavy mahita rirany any koa.
Ny hitako manomboka eo @ zaza faharoa no mitsiry ny filan'ny lehilahy satria t@ zaza voalohany niarahana ny fikarakarana azy ka na tsy dia nisy firy aza ny RS dia mbola mafana ny fikarakarana ny zaza dia samy sambatra. Rehefa tonga ny zaza faharoa dia manomboka mizara ny fikarakaranaa, ny lehilahy (matetika) miandraikitra ilay voalohany izaty mbola taiza be, ary ny vhv any @ ilay zaza vao teraka. Tsaroako mihitsy ramose-ko indray andro nangataka fa tsy nomeko satria tsapako tsy mbola vonona mihitsy ny vatako plus de 1 mois apres accouchement. Tsapako hoe frustré izy ary taorianan'izay tsy sahy mangataka intsony fa miandriandry ahy ho vonona (angamba) kanefa koa izaho tsy ireny vehivavy hanao premier pas ireny @ io taranja io, eny na dia @ vadiko aza. Rehefa ela ny ela, mba frustrée koa aho satria na efa mba manina aza dia toa tsy manina indray ramose dia mitohy eo ilay boribory vetaveta araka ny tenin'ilay namana ao aloha ao.
farany sendra ny mena miraviravy dia roboka kely tany ivelany satria tao daholo ny parametres rehetra: endrika sy bika, teny mamy, dokadoka, ets... ka moa va tsy irony adolantsento vao nanao sipa voalohany ireny indray. Ny taona anefa efa niha-lehibe ka hiaina toy izany rahoviana indray moa kanefa efa misy eo. Dia tavela kely tany foroana naharitraritra. Soa fa nanana plus ilay vadiko côté "fitaovana" ka na fy aza ny tary tsy maintsy navela
Felantsoa >>> Anisan'ny tombony mihitsy io equilibre lazainao io ho an'ny vady iharan'ny tsy fahampiana firaisana ao an-tokantrano.Na izany aza anefa ilaina mihitsy koa ny mandanjalanja tsara ny atao ka manajanona izany @ fotoana mahamety azy,mba tsy ho lasa fahazaran-dratsy indray ka hanimba tokan-trano.
Amina sujet ohatr'izao tsy maintsy misy ny manohana sy manohitra foana .Afaka milaza izay tiany holazaina ny tsirairay.Saingy ny antony nitondrana azy ity eto dia ny mba hahafantarana ny zava-miafina rehetra ambadiky ny fampirafesana.
Mba ahafahan'ny tsirairay manitsy izay azo hahitsy @ fiainam-pitiavany sy ny fiainan-tokantranony.
Ataovy voankazo an'ala e ! Ny mamy atelemo fa ny mangidy kosa aloavy.
Raha manazava ilay antony aho tsy midika akory fa tsy diso ireo mampirafy. Inoako fa 100%-ntsika manoratra eto dia manaiky fa tsy mety ilay izy. Tsy fierté koa anefa fa fanazavana ny hoe tombony azon'ireo izay manao na nanao izany. Izaho izao, raha ny fitaizana azoko tany @ fianakaviako dia resaka tabou be izany sexualité izany ka na efa nanomboka nanao sipa sy nanao RS aza aho tsy mba sahy ni-confier ny vie sexuelle-ko t@ ray aman-dreniko, eny fa na dia ny iraitam-po akaiky ahy indrindra aza satria toa zavatra tsy firesaka izany. Ny vadiko koa toy izany tany aminy tany. Izy aza nilaza fa teny @ Cité Universitaire no ni-découvrir izany sexualité izany voalohany ary t@ revy nandalo indray alina fotsiny hono. Avy eo dia izaho no olona faharoa nanaovany RS. Marina fa tokony entre anay izany no niresaka saingy samy matahotra hoe sao hanana réaction hafahafa ity dia samy nangina tany. Moa izy efa sendra ilay tsy nahazo taty amiko indray alina dia natahotra ary izaho koa jamais manao premier pas noho ny fahatahorana hoe sao lazainy fa petasse na toy izany. Vokany, rehefa tafahoatra ilay besoin d'equilibre, niraviravy ny paoma tao an-tsaha dia lasa i eva nanaiky ny fitak'ilay menarana.