image not found image not found image not found image not found image not found
Allez vers Moov.mg
Member
Publications: 114

loza aminatambo >>> tena mahatsikaiky ahy mihitsy kosa ilay filazanao azy kanefa dia tena mampieritreritra lalina tokoa.


Eo @ izay tambitamby sy mots doux izay indrindra ! angaha moa tsy efa fomba mahazatra ampiasain'ny lahy na ny vavy ao an-tokantrano izany rehefa te hahazo fitiavana any @ vadiny izy ohatra?
Sa ny tambitamby sy mots doux ataon'ny vady efa matsatso fa ny an'ny hafa any ivelany tena matsiro be ve ?


Tena hoe tena ny fitiavana no mampiray fa rehefa tonga ny routine sy ny hazakaza-dava, na ny andaniny na ny ankilany @ fotoana tsy ampoizina mety sendra ny mena miravirav, ny sipa sexy, ny bandy nahay namoboraka fitiavana t@ teny mambabo, toy ny miverina kely any @ adolescence indray hoe hay moa nisy lehilahy nikôty toy izao t@ izany, na io ilay vady na io mbola flirt fotsiny. Saingy ny teona efa mandroso, eo koa ny curiosité hoe ahoana tokoa moa ? Te-hiverina hiaina ilay adolescence saingy ity toa tsy ho flirt fotsiny fa tonga dia fanoto sy laona avy hatrany.

Raha feheziko (ny efa niainako) dia toa fakana fahafinaretana ilay miray any ivelany fa ny ao an-trano miha-mahalana noho ny gidragidram-piainana...

Misy fahamarinany be ilay fitenenana hoe "Le mariage c'est pour résoudre ensemble des problèmes qui n'auraient même pas existé si on était resté célibataire" Sanatria tsy manakivy ireo izay mikasa ny hiditra ao na vao nanomboka niditra ao anaty fanambadiana fa ny Vady rehefa tsy misy V(o)dy dia lasa Ady.


Cool Tsain / Felantsoa >>>> Ny fanehoan-kevitra rehefa atao somary mahatsikaiky toy izay asehonareo eto dia tena mora raisina tokoa na dia somary lalina ihany aza ny hevitra fonosiny.
Misaotra antsika rehetra.


Ka ny mpisimpa kosa ange vao mifanojo anaty tontolo hafa ifanintonan'izy roa e ! iza moa no tsy ho taitra ? indrindra raha sendra ny tsiro tsy mbola hita sy niainana mihitsy. Dia ohatran'ny mandeha ho azy ilay fitia toa lakaoly, malaina hisaraka.Sady samy manao izay hahatamana ny andaniny sy ny ankilany mba hampaharitra ny fiarahana sy hiafaran'izany anaty fanambadiana.
Fa rehefa mpivady @ izay toa mandeha ho azy foana ny fifandraisana sy ny fiainana ao an-tokantrano na mihena aza ny fitiavana,na tsy misy bisous,na tsy misy calin.
Mety mieritreritra koa ny andaniny,na ny ankilany oe efa vadiko io ,na efa ahy io ka tsy dia afaka ny hankaiza eo ve ??
Kanefa ny vokatr'izay avy no tena ho loza ! hiverina @ sujet-ntsika etsy ambony.


Kala pitsana >>>Fenoy fitiavana foana ny olon-tianao tsy ahatsiarovany intsony izay sipany any ivelany any e! Rehefa mba misy fotoana malalaka iny ianareo roa ka mba samy falifaly dia tsara foana ny miresaka izay mba itondrana ny fitiavana sy ny fiainana.Anontanio azy mazava ny heviny momba ilay sipa mba tsy hampiady saina anao isanandro eo.Avy eo ianareo miara-mijery izay vahaolana.


loza aminatambo >>> tsy efa mba novaliako etsy ambony kosa ve ny fanontanianao araka izay mba fahitako azy e : > Raha mbola mpisipa ka vao nanandran-tsiro dia samy nankafy,dia samy te hanamafy hatrany ilay fifankatiavana,samy te hifikitra mafy satria samy te ho tompon'ny andaniny sy ny ankilany .Ny mpisipa koa matetika tsy dia tafahaona isanandro izany,ka ohatran'ny tsy mahagaga raha vao tafahaona dia ny manao RS foana.

Fa rehefa ao an-tokantrano @ izay ,ny 2 taona voalohany aloha mety hisy RS indray mandeha isanandro.Ny 3 taona aorian'io mety efa indroa isanandro.Any @ fahafolo taonan'ny fanambadiana izany ve tsy efa mety ho 3 isambolana sisa??
Ilay izy koa izany toy ny zava-drehetra ihany e ! raha vao miverimberina lava lasa fahazarana fotsiny @ fomba sy fihetsika mitovy( tsy dia mba miovaova positions,tsy dia mba miova toerana anaovana,tsy mba atao amim-pitiavana sy anaty teny mamy,sns...) dia minoa ahy enao fa ho leo vetivety.


... ny 3 taona aorian'io mety efa indroa isankerinandro....


Tsy tokony hifampitsara mihitsy eto ka ! Samy olon-dehibe mahalala ny mety @ fiainany io,dia samy mba misintona lesona @ izay azo hanatsarana izany eto.


loza aminatambo >>> Mino aho fa efa maro no efa nahatsapa koa ireto teboka maromaro nolazainao ireto,matoa mihamaro ny miroboka sy tamana @ ity RS ivelan'ny tokantrano ity,Saingy aleon'izy ireny tsy miteny satria masiaka loatra ny fitsaran'ny fiaraha-monina,na dia izay aza no hitan'izy ireny mba mampety n fiainany.