image not found image not found image not found image not found image not found
Allez vers Moov.mg
Publications: 11916

Miarahaba antsika rehetra izay sendra tafajery an'ity sujet ity.Tsy aiko fa maditra ilay sipako izay, betsaka ny messages hitako tao anaty téléphone-ny, misy ny olona mitatitra aty amiko fa tazanay niaraka tamin'ny vehivavy ny sipanao, sy ny maro. Fa dia tsy hitako fa angamba 30min eo ihany no tezitra aminy fa dia toa adinoko daholo ny zavatra nataony, tia azy foana aho.Azon'ody ve sa maninona aho?


salut dahol,tena lasa zatra eritre2 ratsy daholo ny mpiforum ato ra vô mis blm a!fitivana mbola vao io ry neny a! tsisy an'izany


karenneTe hampita hafatra aho, Mety oe fitiavana fa izao no mba teniko ho anareo tanora mbola tsy ao anaty tokatrano ara-dalana ( vita soratra , mariazy ) .Mbola afaka misafidy tsara amin'izao mbola mpitovo izao ,na hisaraka na hiaritra ny fijaliana noho ny toetra tsy zaka ,marina fa ny fitiavaNa maharitra ny zavatra rehetra ,ny fitiavana manarona fahotana maro fa izao ianao dia afaka mandanjalanja tsara oe zakako ve ny fahalemeny rehetra sa tsia ( toaka , sigara , fampirafesana ). Fa tsy oe miova ny olona rehefa vita mariazy ohatra ,eny mety hiova tokoa izy raha tapa-kevitra hiala @ toetra ratsiny rehefa manaiky an'i Jesosy Kristy hanafaka azy , fa raha tsy izay dia lasa fahoriana ilay tokatrano rehefa tafiditra ao ianao fa tsy misy fiadanana . Mahasahia manapa-kevitra rehefa tsy zaka ny toetrany e!


Aza dia mandrimandry manana aretina ranona a ,mba manaova ihany fanadiadina ,fa sao dia efa eo afovoan trano ny fahavalo vao hoe ,aiza ny basy hitifirako an ity ,,,?


Elao dinymbola tsy tara fa tsy fitiavana izany fa obsession !


karenne>inn ar ty manao autruche ty; ialao dieny zao, tsy izany no fitiavana fa mba mifamaly kosa sy mifanaja; manana courage fa efa vay be an kandrina zao ve mbola hodian tsy hita ihany


Possible ihany koa hoe sady tsy azon'ody ianao no tsy tena tia fa adala fotsiny, na tsy dia mieritreritra laviitra loatra amin'ny fiainana fa ampy anao ilay mihomehy amin'izao dia izay fotsiny.


Io tenin' i ZA ZANY io, tsy miova zany ny olona rehefa ao anaty fanambadiana fa rehefa misotro izy, dia misotro foana, raha mampirafy izy dia hampirafy foana, soloy hafa rehefa hitanao fa mampidi-doza.


Tsy misy olona azon'ody izany (na tena vitsy) fa avy aminao ihany no mahatonga anao mijaly na tsia ao anatin'ny fiarahanao. Ambany loatra ny fahatokisan-tenanao dia mieritreritra ianao fa tsy misy olona afaka hitia anao ankoatra an'io olona miaraka aminao io. Dia na inona na inona ataony dia mihevitra ianao fa zara aza misy azy eo amin'ny fiainanao mba mitia anao ka lasa milefitra foana ianao.Diso tanteraka anefa ianao, mahatokisa tena fa mbola mpisipa ianareo. Mbola manana safidy ianao fa tsy izay olona mampijaly anao akory dia hiononana eo. Mahatokisa tena fa matoa ianao nahasarika azy tamin'ny vao niaraka dia mbola betsaka ny lehilahy hafa voasarika aminao. Sokafy ny maso dieny izao fa tsy misy lehilahy miova izany. Izay hiainanao izao iany no hiainanao any aoriana raha miaritra eo ianao.


Ezaka misy ekeko ny teninao ary ny hafatra avy aminao ,fa eto amin'ilay hoe tsy misy lhl miova izany ,eo no tsy hifanarahantsika satria tsy marina izany .Ny tenako dia tena rain dahiny tamin'izany hatao hoe ditra izany ,na vhv ,na tavoahangy ,na zava mahadomelina ,na fisolokiana na fanodikodinana na hala botry ,na fitaka goavana sy nysisa e indrindra moa ny loka dia efa niainako daholo izany ,ny namono olona ihany no mbola tsy nataoko ary tsy ho hataoko mihintsy ,Nisy kalakely izay niaraka tamiko ary lasa vadiko mo izy ,ambony be ny rainy ,fa ny reniny mpiandry .Niaraka izahay ary tsy nisy niafina taminy ny momba ahy ,fa isaky ny hariva rehfa tonga any amindry zareo aho dia tsy maintsy mahazo lesona avy amin'ny reniny sy avy aminy .Saika tsy zakako tamin'ny voalohany fa nony elaela dia na izahako ary nanjary nibaboka tamin'Andriamanitra ,veloma hatreo ny ditra rehtra ,ary tonga amin'ilay hoe niova fo aho ,ny hitako sambatra voalohany dia ny vadiko ,ny zanako ary ny Rad sy ny mpiray tampo rehetra ,fa ny namako dia lasa nanjary fahavalo ry zareo ,tsy fantako,,,,?