• Cours de change
  • 5050.27 AR
  • |
  • $4544.4 AR
Copyright Image : © Pourquoi Docteur
Image
Fahasalamana&Sakafo

Mamasipasika ao anaty maso : inona no mety ho antony ?

14/04/2025 14:26 © Moov.Mg

Ny fahatsapana hoe mamasipasika na toy ny misy vovoka ao anaty maso dia isan’ireo antony matetika handehanana mandeha mizaha maso any amin’ny mpitsabo maso. Mety miaraka amin’ny soritr’aretina hafa izy io na tsia. Andeha ho fantarina eto ireo antony mety mahatonga ny maso mamasipasika ao anatiny.

Mamasipasika ao anaty maso : vokatry ny fahamainan’ny maso

Ny fahamainan’ny maso dia midika fa tsy ampy ny habetsaka na ny kalitaon’ny ranomaso ao aminy. Izany dia miteraka tsy fanelingelenana eo amin’ny maso sy ny fahitana, toy ny hoe mamasipasika ao anaty maso. Indraindray dia mety mitarika « irritations de la cornée » na « infections oculaires » izay samy karazany areti-maso. Mety miseho miaraka amin’ny fahatsapana mavaivay na mangorintsina ao anaty maso ihany koa izany.

Areti-maso atao hoe « blépharite »

Ny « blépharite » dia « inflammation » ny sisin’ny hodi-maso. Mety miteraka « irritation », mampivaramena ny sisin’ny hodi-maso, fiongotan’ny volomaso (cils) ary koa fahamainan’ny maso. Ity farany dia mampisy fahatsapana toy ny misy zavatra mamasipasika ao anaty maso.

« Abrasion de la cornée »

Ny « abrasion de la cornée » dia ratra kely na rangotra kely eo amin’ny sosona ivelan’ny voamaso. Ireo ratra kely ireo dia mety ho avy amin’ny vovoka, loto, hazo, rangotry ny hoho na koa fahadisoana teo amin’ny fametahana na fampiasana ny « lentilles de contact ». Ny « abrasion de la cornée » ihany koa dia miteraka fahatsapana mamasipasika ao anaty maso.

« Conjonctivite allergique »

Ny « conjonctivite » dia « inflammation » mahazo ny « conjonctive » ny maso. Mety mitranga izy io rehefa mifampikasoka amin’ny « allergène » ilay olona. Ireo olona manao « allergies aux pollens » moa matetika no tena tratry ny « conjonctivite allergique ». Anisan’ireo soritr’aretin’ity aretin’ny maso ity ny hidihidy ao anaty maso, ny fisian’ny tai-maso betsaka ary ny fahatsapana toy ny misy fasika manelingelina ao ambanin’ny hodi-maso.

Inona no atao raha mamasipasika ao anaty maso ?

Raha mahatsapa mamasipasika ao anaty maso dia tsara hatrany ny manantona mpitsabo maso mba hamantarana ny antony mahatonga io fanelingelenana ao anaty maso io. Miankina amin’ny antony mahatonga azy ny fitsaboana na ny fandraisan-tanana ataon’ny mpitsabo.

Lire la suite

Articles Similaires