Ny fahasarotana mety ateraky ny « sinusite » tsy voatsabo tsara
Aretina mahazatra vokatry ny « inflammation » mahazo ny « sinus » na ireo lavaka kely feno rivotra manodidina ny orona. Matetika dia sitrana tsara izy io rehefa nahazo fitsaboana mifanaraka amin’izany sy fialantsasatra ampy. Raha atao tsirambina na tsy voatsabo araka ny tokony ho izy nefa ny « sinusite » dia mety hiteraka fahasarotana lehibe kokoa. Na dia tsy dia fahita firy aza izany dia tsara ihany ny mahafantatra ireo soritr’aretina tokony hampanahy mba hahafahana mahazo fandraisana an-tanana haingana.
Rahoviana no lasa mampanahy ny « sinusite »?
Matetika ny « sinusite » dia miteraka:
-Fahatsentsenana na fitohanana ao amin'ny orona ;
-Fanaintainana eny amin'ny tarehy ;
-Aretin'andoha ;
-Fihenan'ny fahenoana fofona ;
-Tazo tsindraindray.
Amin'ny ankapobeny dia mihatsara ireo soritr'aretina ireo ao anatin'ny andro na herinandro vitsivitsy.
Raha maharitra na miharatsy anefa ny aretina, dia mety hiparitaka any amin'ny taova manodidina ny mikraoba. Satria moa akaikin'ny maso sy ny atidoha ny « sinus », dia mety hisy fiantraikany amin'ireo faritra marefo ireo ny aretina.
Fahasarotana amin'ny maso
Anisan'ny fahasarotana mahazatra indrindra amin'ny « sinusite » miharatsy ny olana amin'ny maso. Satria manify dia manify ny taolana mampisaraka ny « sinus » sy ny maso, dia mora kokoa ny fiparitahan'ny aretina.
Izany dia mety hitarika :
-Fivontosana lehibe eo amin'ny hodi-maso;
-Fivoaramena manodidina ny maso ;
-Fanaintainana rehefa manetsika ny maso ;
-Fahitana manjavozavo na fahitana roa.
Amin'ny tranga tena mafy dia mety hisy fivontosana misy nana miforona ao ambadiky ny maso, ka mety hampidi-doza ny fahitana. Mila fitsaboana maika izany.
Fiparitahan'ny aretina any amin'ny taolana
Indraindray dia mety hahatratra ny taolan'ny tarehy ny « sinusite » ary hiteraka aretin-taolana antsoina hoe « osteomyélite ». Na dia tsy fahita firy aza izany dia mety hiteraka:
-Fanaintainana mafy eo amin'ny tarehy ;
-Fivontosana amin'ny faritra voakasika ;
-Tazo maharitra ;
-Fanaintainana mafy rehefa kitihina ilay faritra.
Matetika dia mila fitsaboana maharitra izy io ary mety hitaky fandidiana amin'ny tranga sasany.
Fahasarotana mahakasika ny atidoha
Na dia tsy fahita firy aza, dia anisan'ny fahasarotana mampidi-doza indrindra amin'ny « sinusite » tsy voatsabo tsara ireo mahakasika ny atidoha.
-« Meningite » izay fivontosan'ireo fonon'ny atidoha sy ny tsokan-damosina. Anisan’ireo soritr’aretina mety hiseho ny : tazo mahery, aretin'andoha mafy, hatoka mihamafy, maloiloy na mandoa, tsy fahazakana hazavana
-« Abcès cérébral » izay fiforonana paosy misy nana ao anatin’ny atidoha. Toe-javatra vonjy taitra izay mila fampidirana hopitaly avy hatrany izany.
« Sinusite mitaiza » sy sarotra tsaboina
Na dia tsy miteraka fahasarotana lehibe aza ny « sinusite » tsy voatsabo dia mety hivadika ho « sinusite » mitaiza na hoe « sinusite chronique ». Lazaina ho mitaiza izy io rehefa maharitra mihoatra ny 12 herinandro ny soritr'aretina.
Mety hahitana:
-Orona tsentsina foana ;
-Havizanana maharitra ;
-Aretin'andoha miverimberina ;
-Fihenan'ny fahafahana maheno fofona ;
-Tsiranoka mivoaka matetika avy ao amin'ny orona.
Mety hanelingelina amin’ny fiainana andavanandro izany ary mila fitsaboana maharitra.
Fipoiran'ny « polype » ao amin'ny orona
Ny fivontosana maharitra ao amin'ny « sinus » dia mety hiteraka « polype » ao amin'ny orona. Ireo dia fitomboan-tsela tsy homamiadana izay mety hanentsina bebe kokoa ny lalan-drivotra. Izany dia mety hiteraka :
Fahatsapana orona tsentsina lalandava ;
-Fahasarotana miaina ;
-Fahaverezan'ny fahafahana maheno fofona ;
-Aretina miverimberina amin'ny orona sy ny « sinus ».
Miankina amin'ny haben'izy ireo ny fitsaboana, izay mety ho fanafody na fandidiana.
Inona avy ireo famantarana tokony hampanahy?
Tokony hitady torohevitra ara-pitsaboana haingana raha misy:
-Tazo avo tsy mety midina ;
-Fivontosana manodidina ny maso ;
-Fanaintainana mafy amin'ny ilany iray amin'ny tarehy ;
-Fahitana mihena na manjavozavo ;
-Aretin'andoha mafy tsy mahazatra ;
-Hatoka mihamafy ;
-Fisafotofotoana na torimaso tafahoatra.
Mety manondro fahasarotana mila fitsaboana maika ireo soritr'aretina ireo.




