Inona no mahatonga antsika mahatsiaro reraka kokoa rehefa avy natory ela ?
Maro amintsika no mihevitra fa arakaraka ny mahalava ny torimaso no mahatsara ny fitsaharana azon’ny vatana. Maro nefa ny olona mahatsiaro tena ho reraka, mavesabesatra sy sahirana mifantoka kokoa rehefa avy natory adiny 10 noho ny rehefa natory adiny 7. Inona àry ny antony mety mahatonga izany ?
Tsy ny halavan’ny torimaso ihany no zava-dehibe
Matetika ny kalitaon’ny torimaso dia manan-danja kokoa noho ny faharetany. Mandritra ny alina dia mandalo dingana maro ny atidoha sy ny vatana: torimaso maivana, torimaso lalina ary torimaso antsoina hoe « sommeil paradoxal ». Rehefa mifandimby tsara ireo dingana ireo dia afaka miala sasatra sy miverina amin’ny laoniny tsara ny vatana.
Tsy midika anefa fa vao maika hahazo aina kokoa ny olona iray rehefa matory ela loatra. Indraindray aza dia mety hanelingelina ny fifandanjan’ny torimaso izany ka vao mainka miteraka fahatsapana harerahana rehefa mifoha.
Noho ny « inertie du sommeil »
Anisan’ny antony lehibe mahatonga ny fahatsapana reraka kokoa rehefa avy natory ela ny antsoin’ny mpikaroka hoe « inertie du sommeil ». Raha mifoha eo afovoan’ny torimaso lalina ny olona iray dia mbola tsy vonona hiverina hiasa tanteraka ny atidohany. Izany dia mahatonga azy hahatsapa toa :
-mbola renoky ny torimaso be;
-sahirana mifantoka;
-mavesabesatra ny vatana;
-te hiverina hatory indray.
Arakaraka ny maha-tampoka ny fifohazana ao anatin’ny torimaso lalina no mety hampaharitra kokoa ireo fahatsapana ireo. Izany no mahatonga ny olona sasany hahatsapa ho reraka kokoa rehefa avy natory ela be noho ny rehefa natory fotoana fohy kokoa nefa nifarana tsara tamin’ny faran’ny tsingerin-torimaso iray ny fifohazany.
Mety hanakorontana ny « horloge biologique » ny torimaso tafahoatra
Ny vatana dia manana famataranandro voajanahary manaraka ny atao hoe « rythme cicardien ». Ity farany no mifehy ny fotoana fatoriana sy fifohazana. Rehefa miova be tampoka ny ora fatoriana sy fifohazana, indrindra amin’ny faran’ny herinandro na amin’ny andro tsy iasana, dia mety hikorontana io famantaranandro io.
Ohatra, raha zatra matory amin’ny 10 ora alina sy mifoha amin’ny 6 ora maraina ny olona iray, dia mety hahatsiaro reraka na mavesabesatra rehefa matory hatramin’ny 9 na 10 ora maraina amin’ny faran’ny herinandro. Efa voaomana hifoha aloha kokoa mantsy ny vatany ka miteraka karazana fikorontanana antsoin’ny manam-pahaizana hoe “jet lag social” izany.
Indraindray ny torimaso maharitra dia famantarana olana ara-pahasalamana
Tsy voatery ho ny torimaso lava na maharitra no anton’ny harerahana. Mety ny havizanana maharitra no mahatonga ny olona hatory ela kokoa. Anisan’ireo toe-pahasalamana mety ho tompon’andraikitra amin’izany ny :
-Tsy fahampiana rà (anémie);
-Fikorontanan’ny « thyroïde », indrindra ny « hypothyroïdie »;
-Aretina sasany vokatry ny otrikaretina;
-Fahaketrahana (dépression);
-Fahatapahan’ny fofonaina mandritra ny torimaso (apnée du sommeil);
-« Syndrome de fatigue chronique ».
Ohatra, ny olona manao « apnée du sommeil » dia mety handany adiny 10 eo am-pandriana nefa tsy tena nahita tory tsara satria tapaka matetika ny torimasony mandritra ny alina.
Tsy voatery hahomby hatrany ny “fanonerana torimaso”
Rehefa tsy ampy torimaso nandritra ny andro maromaro dia maro no miezaka manonitra izany amin’ny torimaso lava amin’ny faran’ny herinandro. Na dia afaka manampy aza ny matory ora fanampiny vitsivitsy, dia tsy voatery ho voavaly tanteraka ny tsy fahampian-torimaso niangona.
Mety hahatonga harerahana sy fanina mandritra ny andro aza ny fatoriana tafahoatra, ary hanasarotra ny torimaso amin’ny alina manaraka. Noho izany dia tsara kokoa ny mitazona ora fatoriana sy fifohazana tsy miovaova isan’andro.
Samy manana ny filàny torimaso ny olona tsirairay
Miovaova arakaraka ny taona, ny fototarazo, ny fahasalamana ary ny fomba fiaina ny filàn’ny olona torimaso. Amin’ny ankapobeny dia mila torimaso eo anelanelan’ny amin’ny 7 ka hatramin’ny 9 ora isan’alina ny olon-dehibe.
Misy ireo mahatsiaro salama tsara amin’ny torimaso adiny 7, ary misy kosa mila adiny 8 na 9 vao tena mahazo aina. Noho izany, tsy ny fiezahana hatory ela no tanjona, fa ny fahitana ny faharetan’ny torimaso mifanaraka amin’ny vatana sy mampavitrika mandritra ny andro.
Rahoviana no tokony hanatona mpitsabo?
Tsara ny manatona mpitsabo raha toa ka:
-Matory adiny 9 na 10 mahery matetika nefa mbola tsy mahatsiaro ho afaka havizanana tsara;
-Maharitra herinandro na volana maro ny harerahana;
-Mierotra be na misy fijanonan’ny fofonaina mandritra ny torimaso;
-Sahirana be mifantoka;
-Manelingelina ny asa sy ny fiainana andavanandro ny harerahana.




