• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Clea
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ny antony mety mahatonga ny orona ho maina lava

09/09/2026 11:39 © Moov.Mg

Toe-javatra mety mitranga indraindray ny fahatsapana ho maina ny ao anaty orona, ary matetika dia tsy mampanahy izany. Raha maharitra kosa nefa ny fahamainan’ny ao anaty orona, miaraka amin’ny fahatsapana mangidihidy, mavaivay na marary kely anaty vavorona dia mety hanorisory. Inona àry ny antony mety mahatonga ny orona ho maina foana ?

Orona maina lava : vokatry ny rivotra maina loatra

Anisan’ny antony mahazatra indrindra mahatonga ny orona maina lava ny rivotra tsy dia misy hamandoana. Ny andro mangatsiaka sy maina, ny fampiasana « climatiseur » na « chauffage » dia mety hampihena ny hamandoan’ny rivotra ka hahamaina ny ao anaty orona. Mety hiseho kokoa arak’izany izy io rehefa mijanona ela ao anaty efitrano misy « climatiseur » na rehefa tena maina ny rivotra.

Fampiasana be loatra ny « spray » ho an’ny orona

Misy amin’ireo fanafody fitsaboana ny orona ihany koa no mety mandrisika ny fahamainan’ny anaty orona. Anisan’izany ny « sprays » ampiasaina hitsaboana ny orona tsentsina raha toa ka atao matetika na ela loatra ny fampiasana azy. Mety mampitony vetivety ny soritr’aretina izy ireny fa ny fampiasana maharitra kosa nefa dia mety hiteraka « irritation » ny « muqueuse nasale » sy hahatonga ny fahamainan’ny orona. Noho izany, tsy tsara ny mampiasa ireny fanafody ireny maharitra raha tsy misy torohevitra avy amin’ny mpitsabo.

Fanafody sasany

Misy fanafody mety hampihena ny hamandoan’ny vatan’olombelona ka hahatonga ny orona ho maina. Anisan’izany ny fanafody sasany ho an’ny « allergie » na ny sery. Raha nanomboka nahatsapa fahamainana taorian’ny nanombohana fanafody iray, dia tsara ny manatona mpitsabo. Tsy tokony hampitsahatra fanafody nosoratan’ny dokotera raha tsy nahazoana alalana avy amin’ity farany.

Setro-tsigara sy loto eny amin’ny rivotra

Ny setro-tsigara, ny vovoka, ny loto eny amin’ny rivotra ary ny etona avy amin’ny akora simika sasany dia mety hahatonga « irritation » ny ao anaty orona. Ankoatra ny fahatsapana maina ao anatin’ny orona dia mety hisy soritr’aretina hafa miseho toy ny fahatsapana mavaivay, mangidihihy, mievina na tsentsina ny orona.

Tsy ampy rano ny vatana

Ny tsy fisotroana rano ampy dia mety hampitombo ny fahamainana amin’ny faritra samihafa amin’ny vatana, anisan’izany ny ao amin’ny orona. Raha toa kosa ka mbola maina foana ny orona na dia misotro rano ampy aza, dia mety misy antony hafa tokony hojerena.

Aretina na olana hafa amin’ny fahasalamana

Amin’ny tranga vitsy kokoa, ny fahamainana maharitra amin’ny orona dia mety hifandray amin’ny aretina sasany izay mahatonga ny vatan’olombelona ho maina. Raha miaraka amin’ny fahamainana amin’ny maso na ny vava izany, dia tsara ny manatona mpitsabo. Mety hisy fiantraikany amin’ny hamandoan’ny ao anaty orona ihany koa ny ratra na fandidiana natao tamin’ny orona.

Inona no azo atao mba hampihenana ny fahamainana anaty orona?

Ireto misy zavatra tsotra afaka manampy:
-misotro rano ampy isan’andro;
-manalavitra ny setro-tsigara sy ny toerana be vovoka;
-tsy misikotra na manadio mafy ny ao anaty orona;
-ampitomboana ny hamandoan’ny efitrano raha maina be ny rivotra;
-mampiasa ranon-tsira natao ho an’ny orona raha ilaina.

Rahoviana no tokony hanatona dokotera?

Tsara ny manatona mpitsabo raha maharitra ela ny fahamainana anaty orona, na raha misy tevidoha miverimberina, fanaintainana, fahatsapana mavaivay mafy na tsentsina lalandava ny orona. Tsara ihany koa ny mijery dokotera raha tsapa maina ihany koa ny maso sy ny vava, na nanomboka taorian’ny fihinanana fanafody vaovao ilay olana.

Lire la suite

Articles Similaires