• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © W
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba tsotra fanaovana « cake à la vapeur » malefaka sy matsiro

08/09/2026 10:58 © Moov.Mg

Fantatrao ve fa tsy voatery manana lafaoro vao afaka manamboatra mofomamy malefaka sy matsiro ? Tena azo atao tokoa ny manamboatra « cake à la vapeur » na hoe « cake » andrahoina amin’ny entona. Mora atao, tsy mandany vola be ary fitaovana tsotra no ilaina. Araho eto àry ny fanaovana azy sy ny akora ilaina.

Ireo akora ilaina raha hanao « cake à la vapeur »

Ho an’ny « cake » iray, ampy ho an’ny olona 6 ka hatramin’ny 8:
-Atody 3 ;
-Lafarinina 150 g ;
-Siramamy 100 g ;
-Ronono 80 ml ;
-Menaka 70 ml ;
-« Levure chimique » 1 fonosana, eo amin’ny 10 ka hatramin’ny 11 g ;
-« Sucre vanillé » 1 fonosana ;
-Sira kely ;
Raha te hanampy tsiro ianao (tsy voatery) dia afaka mampiasa hodim-boasarimakirana, « cacao », « raisins secs » na « arôme alimentaire ».

Ireo dingana amin’ny fanaovana azy

Voalohany, omanina ny fomba handrahoana azy amin’ny etona. Asina rano ampy ao anaty vilany lehibe, ary asiana « support », « grille » kely na zavatra mivadika ambony ambany mba hahafahana mametraka ny « moule » eo amboniny. Tsy tokony hikasika mivantana amin’ilay rano ny « moule ». Saromana ny vilany ary hafanaina ny rano mandritra ny fanaovana ny « pâte ».
Vakiana anaty « saladier » ny atody. Arotsaka ao ny siramamy sy ny « sucre vanillé ». Kapohana amin’ny « fouet » mandritra ny minitra vitsivitsy mandra-pahazoana fangaro somary mibontsina sy miloko mazava kokoa.
Alefa ao manarak’izay ny ronono sy ny menaka. Afangaro tsara mandra-pahazoana fangaro mitovy tsara.
Maka lovia jobo lehibe iray hafa. Afangaro ao ny lafarinina, ny « levure chimique » ary ny sira kely. Arotsaka tsikelikely ao anatin’ilay fangaro misy atody sy ronono ireo akora maina ireo.
Afangaro moramora mandra-pahazoana « pâte » malama sy tsy misy vaingambaingany. Tsy afangaro ela loatra ny « pâte ».
Raha hanisy tsiro dia alefa ao ny tsiro nosafidiana, toy ny hoditra voasarimakirana voakiky manify, ny « cacao » na ny « arôme », ny « raisins secs ».
Miomana amin’ny fandrahoana ny « cake ». Hosorana menaka na dibera kely ny « moule ». Afaka mampiasa « papier cuisson » ihany koa mba hanamora ny fanesorana ilay « cake » rehefa masaka.
Arotsakaa ao anaty « moule » ny « pâte ». Tsy fenoina hatramin’ny molony. Avela hisy elanelana 2 ka hatramin’ny 3 sm eo ho eo, satria mbola hiakatra ilay « cake » mandritra ny fahamasahany.
Apetraka moramora eo ambonin’ilay « support » ao anaty vilany ny « moule ». Tandremana mba tsy hisy rano mitete eo ambonin’ny « cake » avy amin’ny sarom-bilany. Azo rakofana « papier aluminium » na « papier cuisson » ilay « moule » mba hiarovana ny mofomamy amin’ny rano mitete.
Saromana ny vilany. Avela ho masaky ny etona mandritra ny 35 ka hatramin’ny 50 minitra eo ho eo, arakaraka ny haben’ny « moule » sy ny hatevin’ny « pâte ».
Mandritra ny fandrahoana dia tsara raha tsy sokafana matetika ny sarony, satria hivoaka ny etona sy ny hafanana. Aleo miandry 30 minitra farafahakeliny vao mijery raha masaka.
Mba hijerena raha masaka ny « cake » dia tsatohana kely amin’ny tendron’ny antsy eo afovoany. Tokony ho maina tsara tsy misy « pâte » manaraka rehefa tsoahina.

Lire la suite

Articles Similaires