• Cours de change
  • 5034.84 AR
  • |
  • $4533.33 AR
Copyright Image : © Yas Madagascar
Image
Vaovao

Mozika : Efa manana ny toerany manokana sy miavaka ny gadona « reggae » eto Madagasikara

10/04/2025 15:43 © Moov

Mivoatra ny tontolon’ny mozika ary mivoatra manaraka izany ihany koa ny mpankafy. Raha somary niafinkafina ny fankafizana ny gadona « reggae » tany aloha dia tena efa manana ny lanjany izy io amin’izao fotoana izao, raha ny fanazavan’ireo mpanakanto. Efa maro ihany koa ny mpanakanto malagasy mivoy io gadona io.

Mozika mitondra fitoniana

Tsy mampihetsiketsika be kanefa tsy milantolanto fa miavaka amin’ny feon-gitara malefaka sy manaraka « rythme » mampihetsiketsika loha, ny « reggae ». Mozika afaka mitondra fitoniana izy ary efa tena maro ny Malagasy mankafy azy amin’izao fotoana izao. « Iny feon-kira mampihetsika kanefa tsy mandreraka iny no tena mampiavaka azy sy hitiavan’ny olona azy. Na tsy mihaino tononkira aza fa ny rythme fotsiny dia efa mitondra azy any amin’ny filaminan-tsaina », hoy i Krutambull, mpanakanto malagasy, mivoy ity gadona ity, ary efa manana ny lazany ihany koa.
Ankoatra izay moa dia mozika miaina no hamaritan’ireo mpanakanto azy ity raha mihaino ny tonony. Isan’ny mampiavaka azy amin’ny gadona hafa izany sady mampanan-danja azy amin’ireo mpankafy. « Ao anatin’ity mozika ity no ahitan’ireo mpankafy hafatra mafana sy mampiezaka manoloana ny rotorotom-piainana isan’andro ka entiny miaina izany », hoy kosa i Mashmanjaka, mpanakanto ihany koa.

Mozika miaina sedra

Manoloana izay fahazoany toerana tsara eo amin’ny fiaraha-monina izay anefa dia maro ny sedra hiainan’io mozika io. Ratsy hatrany ny fandraisan’ny ankamaroan’ny Malagasy azy io hatrany am-piandohana. Voalohany amin’izany ny fahitana ny endrik’ireo mpanakanto satria miavaka izy ireo amin’ny taovolo. Mirandrana na ilay antsoina hoe « dreadlocks » ireny avokoa ny ankamaroany, na lehilahy na vehivavy. Eo amin’ny Malagasy anefa « jiolahim-boto » na olona tsy mendrika ireny. Efa miezaka manala izay hevi-draikitra sy fisainana ratsy momba ity gadona ity izay ireo mpanakanto ka manao antso avo amin’ireo haino aman-jery ny hanapariahana ny soa entiny. « Manipy anatra sy fananarana ity mozika ity ary tena miavaka io tonon-kira io fa tsy tokony tsaraina amin’ny endrika ivelany fotsiny », hoy hatrany i Mashmanjaka.
Ireo mpankafy ihany koa aza dia manamafy fa io fampahafantarana io no mbola tsy ampy amin’ity mozika ity. « Betsaka ny mpanakanto mahay ato anatin’io mozika reggae io fa ny sehatra hivoarana no tsy ampy », hoy i Tokipitiavana Andriamifidy, mpankafy. Efa misy moa amin’izao fotoana izao ny hetsika natokana ho an’ity mozika ity ary efa mankalaza ny andro maneran-tany ho azy ihany koa ireo mpankafy mba hampiroboroboana azy.

Lire la suite

Articles Similaires