Karazanjavamananaina : Afaka mitondra fiovana lehibe ireo hetsika fiarovana madinika
Ankalazaina androany 22 mey ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Karazanjavamananaina. Lohahevitra entina manamarika izany, amin’ity taona 2026 ity ny hoe : “Hetsika ifotony, misy vokany maneran-tany”. Ho an’i Madagasikara, firenena anisan’ny manankarena indrindra amin’ny zava-boahary tsy fahita firy eto ambonin’ny tany, dia fotoana iray hanamafisana ny adidy hiaro ny harena voajanahary sy ny tontolo iainana ity fankalazana ity.
Tany manankarena zavamananaina
Fantatra maneran-tany amin’ireo harena voajanahariny i Madagasikara. Ahitana ala mando any atsinanana, honko manamorona ny morontsiraka andrefana, haran-dranomasina sy ahi-drano an-dranomasina, ary ala tsilo any atsimo. Ao anatin’ireo toeram-ponenana voajanahary ireo no misy biby sy zavamaniry tsy hita afa-tsy eto Madagasikara, toy ny varika isan-karazany, ny sokatra sy ny soka-dranomasina. Mifamatotra tanteraka amin’ny fiainan’ny olombelona sy ny fifandanjan’ny tontolo iainana ireo karazanjavamananaina ireo. Miankina amin’ny ala sy ny ranomasina mantsy ny famatsian-drano, ny fambolena, ny jono ary ny asa fiveloman’ny mponina maro. Raha simba ny natiora dia miantraika mivantana amin’ny fiainan’ny olombelona ihany koa izany.
Mihamarefo ny tontolo iainana
Na dia manankarena aza anefa i Madagasikara, dia miha-mihena hatrany ireo karazanjavamananaina sy ny toeram-ponenany. Anisan’ny antony lehibe mahatonga izany ny fahapotehan’ny ala, ny doro tanety, ny fitrandrahana tsy maharitra ny harena voajanahary, ny fandotoana plastika ary ny fiovan’ny toetr’andro. Rehefa potika ny ala dia very miaraka amin’izany ny toeram-ponenan’ny biby sy zavamaniry, mihasimba ny loharanon-drano ary mihamarefo ny tany. Toy izany koa ny fahasimban’ny tontolo an-dranomasina sy ny morontsiraka, izay manohintohina ny zavamananaina an-dranomasina sy ny fiveloman’ireo vondrom-piarahamonina miankina amin’ny jono. Miharihary ihany koa ny voka-dratsin’ny fiovan’ny toetr’andro any amin’ny faritra maro eto amintsik. Misy ny hain-tany, ny tsy fahampian-drano ary ny fahasimban’ny tany fambolena, ka mampitombo ny faharefoan’ny mponina.
Menabe, ivon’ny fankalazana
Araka ny nambaran’ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Andriatsihala Nolave Luck Aristide, dia hatambatra ny fankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Karazanjavamananaina, ny Andro Maneran-tany ho an’ny Tontolo Iainana ary ny Andro Maneran-tany iadiana amin’ny Fihangazanana sy ny Hain-tany, amin’ity taona 2026 ity. Any amin’ny Distrikan’i Morondava, ao amin’ny Faritra Menabe, no hanatanterahana ny hetsika. Nosafidiana manokana ity faritra ity satria sady ahitana harena voajanahary maro no isan’ireo faritra tena iharan’ny olana ara-tontolo iainana.
Anisan’ny mampiavaka an’i Menabe ny fisian’ny alan’i Kirindy, izay fonenan’ny karazam-biby maro toy ny gidro, vorona ary ny fosa. Etsy ankilany anefa, simba tsikelikely ny alan’i Menabe Antimena ary efa hita taratra ny hain-tany sy ny tsy fahampian-drano any an-toerana. Notsiahivin’ny minisitra ihany koa ny olana mahazo ny vavaranon’i Betania any Morondava, izay mihatototra noho ny fivarinan’ny fasika avy amin’ny reniranon’i Dabara. Misy fiantraikany amin’ny fivezivezen’ny sambo sy ny asa ara-toekarena any an-toerana izany.
Hetsika madinika, fiovana lehibe
Tian’ny lohahevitra amin’ity taona ity ampitaina fa manomboka amin’ny hetsika tsotra eny ifotony ny fiarovana ny natiora. Tafiditra ao anatin’izany ny fiarovana ny ala sy ny faritra marefo, ny fanarenana ireo tontolo efa simba, ny fambolen-kazo ary ny fanentanana ny mponina momba ny fiarovana ny tontolo iainana. Na dia hetsika heverina ho madinika aza ireo dia mitondra vokatra lehibe amin’ny fiarovana ny karazanjavamananaina sy ny ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro. Rehefa miara-mientana ny olom-pirenena, ny vondrom-piarahamonina ary ireo mpiara-miombona antoka, dia afaka mitondra fiovana maharitra ho an’ny tontolo iainana sy ny taranaka ho avy izany.




