Aretina mamany lava : vehivavy malagasy maherin’ny 2.000 isa no narenin’ny Opération Fistula, tao anatin’ny enin-taona
Ankalazaina androany 23 mey 2026 ny Andro iraisam-pirenena ho fanafoanana ny aretina mamany lava. Mbola olana ara-pahasalamana lehibe eto Madagasikara ity aretina ity, satria tombanana ho manodidina ny 40.000 ireo vehivavy miaina miaraka aminy.
Fahasarotana ateraky ny fiterahana
Fahasarotana isan’ny goavana indrindra ateraky ny fiterahana ny aretina mamany lava. Amin’ny ankapobeny, vokatry ny fiterahana sarotra sy maharitra, nefa tsy nahazoana fitsaboana ara-potoana izy io. Miteraka fahasimban’ny any aminn’y lalan-jaza izany ka mahatonga ny fivalanan-drano na/sy ny diky hivoaka any amin’ny fivaviana. Tsy mijanona amin’ny fahavoazana ara-batana ihany anefa ny vokatr’ity aretina ity. Vehivavy maro no iharan’ny fanilikilihana sy fanavakavahana, noho ny fofona ratsy ateraky ny aretina. Misy amin’izy ireo no very asa sy miaina anaty fahantrana lalina, vokatry ny fanilikilihana ataon’ny fiarahamonina.
Amin’izao Andro iraisam-pirenena ho fanafoanana ny aretina mamany lava izao, dia nasongadin’ireo fikambanana sy mpiara-miombona antoka ny vokatra efa azo teto Madagasikara. Hatramin’ny taona 2020 dia vehivavy maherin’ny 2.000 no efa nahazo fitsaboana fanarenana sy fandidiana, notohanan’ny fikambanana tsy mpiankina Opération Fistula. Ho an’ireo vehivavy nisitraka izany, dia toy ny fahaterahana indray ny fahasitranana. Betsaka no tafaverina miasa, afaka mifandray tsara amin’ny fianakaviana sy ny fiarahamonina ary miverina indray ny fahatokisan-tenany.
Aretina azo sorohina sy azo tsaboina
Na izany aza dia mbola betsaka ireo vehivavy mila fitsaboana. Tombanana ho manodidina ny 40.000 ireo mbola mitondra ity aretina ity manerana an’i Madagasikara, indrindra any amin’ny toerana lavitra toeram-pitsaboana. Araka ny fanazavan’ny Tahirim-bolan’ny Firenena Mikambana momba ny Mponina na UNFPA, dia aretina azo sorohina sy azo tsaboina tanteraka ny aretina mamany lava. Mifandray akaiky amin’ny fahantrana sy ny tsy fahampian’ny tolotra ara-pahasalamana anefa izy io. Anisan’ny antony mampirongatra ny tranga ny fanambadiana aloha loatra sy ny fitondrana vohoka aloha loatra ; ny tsy fanjariantsakafo ary ny fiterahana tsy atrehin’ny mpiasan’ny fahasalamana voaofana. Mety hiteraka izany ihany koa ny fanalan-jaza atao amin’ny fomba tsy ara-pahasalamana.
Nanamafy ny tale mpanatanteraky ny UNFPA, Diene Keita, fa zon’ny vehivavy rehetra ny miteraka am-pitoniana sy am-pahamendrehana. Nambarany fa azo atao tsara ny manafoana tanteraka ity aretina ity, raha ampitomboina ny teti-bola ho an’ny fahasalaman’ny reny.
Fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny reny
“Manan-jo hanana fahasalamana izy : andao hampiasa vola hanafoanana ny aretina mamany lava sy ireo takaitra ateraky ny fiterahana.” Io no lohahevitra entina manamarika ity Andro iraisam-pirenena ho fanafoanana ny aretina mamany lava ity. Tanjona ny hampirisihana ny fanjakana sy ireo mpiara-miombona antoka mba hampitombo ny ezaka atao ho fisorohana sy ho fitsaboana. Nasongadin’ireo manam-pahaizana fa ilaina ny fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny reny, indrindra any amin’ireo toerana mbola tsy misitraka toeram-pitsaboana ara-dalàna. Zava-dehibe ihany koa ny fisian’ny mpiasan’ny fahasalamana voaofana, ny fananana fitaovana ara-pitsaboana ary ny fahafahana manatanteraka fandidiana azo antoka.
Mampiseho ny vokatra efa azo tao anatin’ny taona vitsy, eto Madagasikara fa azo atao tsara ny manafoana ity aretina ity. Mbola mila tohizina sy hamafisina anefa ny ezaka, mba tsy hisy intsony vehivavy hijaly noho ny fahasarotana izay azo sorohina mandritra ny fiterahana.




