Pantekaoty 2026 hieren-doza : Hamafisina ny fitsirihana ara-teknika tampoka eny an-dalambe
Hanatanteraka hetsika fitsirihana ara-teknika tampoka eny an-dalambe ny Foibe Fitsarana Fiarakodia (DGSR) manomboka ny 23 ka hatramin’ny 27 may 2026, ho fisorohana ny lozam-pifamoivoizana mandritra ny fetin’ny Pentekoty.
Hojerena akaiky ny fahatomombanan’ny fiara
Ny 24 sy 25 may izao no hankalazan’ireo mpino kristianina ny fetin’ny pantekaoty, ka maro ireo mivoaboaka. Miomana amin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana sy ny fivezivezen’ny olona mandritra izany ny Foibe Fitsarana Fiarakodia (DGSR). Araka izany dia hisy ny “Opération Contrôles Techniques” hotanterahina manerana ny Nosy miaraka amin’ny Sampan-draharaha misahana ny hetsika sy ny fitsirihana ara-teknika tampoka an-dàlambe (Service des Operations et Controles Routiers) ary ireo ivon-toerana fitsarana fiarakodia rehetra.
Tanjona amin’izao hetsika izao ny hisorohana mialoha ireo lozam-pifamoivoizana mety hitranga noho ny tsy fahatomombanan’ny fiara eny an-dalana. Hidina eny an-kianja izy ireo mialoha, mandritra ary aorian’ny Pantekaoty, hanatanteraka izany fanaraha-maso izany. Hamafisina kokoa ny amin’ireo fiara mpitatitra olona sy entana izay maro mpampiasa amin’izao fotoana izao.
Hojerena manokana amin’izany ireo lafiny ara-teknika mety hampidi-doza toy ny hisatra, jiro, kodiarana ary ireo singa fototra ilaina amin’ny fiarovana ny mpampiasa lalana.
Tsy hisy fandeferana amin’ireo fiara tsy manara-dalàna
Nambaran’ny DGSR fa hohamafisina manokana ihany koa ny fanaraha-maso ireo fiara mamoaka setroka mihoa-pampana, ireo mampiasa laharana vahiny sy “WW”, ary ireo mampiasa fitaratra matroka na misy “pellicules” tsy ara-dalàna.
Anisan’ny paikady apetraka ny fiaraha-miasa amin’ny mpitandro filaminana mba hiantohana ny filaminana sy ny fiarovana mandritra ny fety. Araka ny fanazavana dia tsy hisy fandeferana amin’ireo fiara tsy manaraka ny lalàna sy ny fenitra ara-teknika.
Etsy ankilany, nampatsiahy ihany koa ny DGSR fa hisokatra sy hiasa ny sabotsy 23 may 2026 ireo ivon-toerana fitsarana fiarakodia rehetra eny amin’ny renivohi-paritany. Manomboka amin’ny 7 ora maraina ka hatramin’ny 2 ora tolakandro izany, mba hanamorana ny fikarakaràn’ireo mpanjifa ny fiarany.




