• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Jirama
Image
Vaovao

Fantson-drano vaky eto Antananarivo : maherin'ny 40 isa, tato anatin’ny volana mey

23/05/2026 08:23 © Moov.Mg

Nitombo isa ireo fahavakisana fantson-drano teto Antananarivo sy ny manodidina nanomboka ny fiandohan’ity volana mey ity. Raha ny fanazavan’ny avy eo anivon'ny JIRAMA dia efa mahatratra 40 mahery ireo tranga voarakitra.

Fantson-drano efa antitra, tsy mahazaka tsindry

Tsikaritra, indrindra tato anatin’ny herinandro, ny fitomboan’ireo fahavakisana fantson-drano lehibe teto Antananarivo sy ny manodidina. Nifanojo tamin’ny fampandehanana ilay “Unité Compacte de Traitement”, na UCT vaovao vao notokanana ao Mandroseza izany, izay mamokatra rano hatramin’ny 20 000 metatra toratelo isan’andro. Araka ny fanazavana azo, ny fitomboan’ny famokarana sy ny fiakaran’ny tosiky ny rano no isan’ny antony niteraka ny fahasimban’ireo fantsona efa antitra.

Fantsona maro eto an-drenivohitra sy ny manodidina mantsy no efa nampiasaina nandritra ny taona maro. Nandalo fotoana tsy nisian-drano ela ihany koa izy ireny, ka lasa maina sy mora vaky. Raha vao tafaverina ny famatsian-drano ary mitombo ny tsindry (pression), dia misy amin’ireo fantsona no tsy mahazaka intsony ka vaky avy hatrany.

Mitombo ny famokarana rano

Na dia miteraka fahasahiranana ho an’ny mponina aza ireo fahavakisana fantsona, dia heverin’ny JIRAMA fa azo raisina ho famantarana ny fitomboan’ny famokarana rano ihany koa. Midika mantsy izy ireny fa tafiditra sy mandeha indray ny rano amin’ireo tambajotra sasany izay tsy nahazo famatsian-drano nandritra ny fotoana ela. Ankoatra izay, manampy amin’ny fahafantarana ireo fantsona mila amboarina, na soloina ihany koa, ireo tranga fahavakisana ireo. Ahafahan’ny orinasa mamaritra tsikelikely ireo faritra marefo sy mila fanavaozana izany.

Nampahatsiahy ny mpanjifa ny JIRAMA fa mety hiova vetivety ny lokon’ny rano, aorian’ny asa fanamboarana fantsona, na rehefa nisy fahatapahan-drano maharitra. Noho izany dia entanina ny tokantrano izay miaina izany tranga izany mba handefa ny “robinet” mandritra ny fotoana fohy, alohan’ny tena hampiasana ny rano, mba hiverenan’ny kalitaon-drano amin’ny laoniny. Manentana ny mponina hatrany ihany koa ny JIRAMA mba hampandre avy hatrany, raha vao misy fahavakisana fantsona hita. Azo atao ny miantso ny laharana maitso 547, mandefa hafatra amin’ny pejy Facebook ofisialin’ny JIRAMA, na manatona ny masoivoho akaiky sy ny Fokontany misy azy.

Lire la suite

Articles Similaires