Ady amin'ny tsy fandriampahalemana : Nanatanteraka hetsika « Bemidina » ny Polisy teo Mahamasina
Manoloana ny tsy fandriam-pahalemana isan-karazany eto an-drenivohitra dia nanatanteraka hetsika « Bemidina » ny fari-piadidian'ny Kaomisarian'i Mahamasina.
Mitety tanàna izy ireo amin’ny alina, miditra elakelan-trano ary misava ireo toeram-pilanonana samihafa. Nitarika izany ny Commissaire Central an'Antananarivo, ny Commissaire Principal de Police Razafindahy Manitra fleurys sy ny lehiben'ny distrika Tana IV, Rakotondratsimba Masiaritovo Antoni.
Fanatanterahana ny « Polisy manakaiky vahoaka »
Raha ny fanazavana dia hetsika entina hanatsaràna hatrany ny Polisy manakaiky ny vahoaka na ny "Police de Proximité" ity « Bemidina » ity. Manatona indrindra ireo mponina mantsy ny Polisy, manatanteraka ny asa nanirahana azy ireo, dia ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany. Ao anatin’izany dia nisafo ireo toerana tena mafàna amin’ny resaka tsy fandriampahalemana toy ny teny Madera Namontana, Andrefan’i Manajara sy ny tao Namontana, izy ireo.
Ankoatra izay dia manentana ny toeram-pivarotana sy ny mponina ihany koa ny Polisimpirenena amin’ny fitandremana sy fandraisana andraikitry ny tsairairay manoloana ny tsy fandriampahalemana. Isan’izany ohatra ny fanamafisana ny hidin-trano sy fitazonana laharan’ny mpitandro ny filaminana. Izany dia mba hahafahan’ny Polisimpirenena mirotsaka an-tsehatra raha misy olon-dratsy miditra ny tokantrano na toeram-pivarotana iray. Mandra-pamoahan’ny mpangalatra ny trano dia efa tonga eo ny Polisy raha mafy ny hidin-trano.
Fisafoana toeram-pilanonana
Isan’ny miantoka ny fandriam-pahalemana ihany koa ny fanarahan-dalàna mikasika ny fandraisana olona amin’ny toeram-pisotroana sy ny toeram-pilanonana. Toeram-pisotroana miisa 05 no nakatona noho ny tsy fanajàna ny ora fisokafana. Tetsy ankilany dia olona miisa 08 tsy nanana karapanondrom-pirenena sy tsy manana anton-dia mazava hivoahana amin'ny alina ihany koa no nentina tao amin'ny Kaomisaria Mahamasina hatao famotorana.
Nanamarika ny Polisim-pirenena fa hitohy ny hetsika izay efa natomboka efa herinandro maromaro izay.