Ady amin’ny jono tsy ara-drariny : Tafapetraka ny Drafitrasa Nasionaly 2025-2029
Isan’ny antony mampitontongana ny toekaren’ny firenena ny fanomezana vahana ny jono tsy ara-drariny, izany hoe : tsy manara-dalàna, tsy voatatitra araka ny tena marina, ary gaboraraka sy tsy voafehin’ny lalàna (Pêche INN). Zava-dehibe, araka izany, ny miady amin’ny jono tsy ara-drariny. Natolotra tamin’ny fomba ôfisialy, omaly, ny Drafitrasa Nasionaly 2025-2029 momba izany.
Drafitrasa hiadiana amin’ny jono INN
Ezaka tanterahin’ny fitondram-panjakana ankehitriny, amin’ny alalan’ny ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga (MPEB), ny ady amin'ny Jono tsy manara-dalàna, tsy voambara, ary tsy voafehin-dalàna. Noho izany indrindra no antony nandrafetana ity Drafitrasa Nasionaly ho an’i Madagasikara, ho an’ny fe-potoana 2025-2029 ity, izay niarahan’ny MPEB namolavola tamin’ny WWF Madagasikara. Natolotra tamin’ny fomba ôfisialy omaly 7 aprily 2025, teny Ampandrianomby Antananarivo, Faritra Analamanga, ity drafitrasa ity.
Voarakitra ao anatin’ity Drafitrasa Nasionaly ity ireo teboka rehetra tokony hatsaraina mba hiadiana amin'ny jono INN. Amin’ny alalan’ity drafitrasa ity ihany koa no anehoantsika amin'izao tontolo izao fa i Madagasikara dia vonona hatrany ny hiatrika ireo fanamby hatrehantsika, indrindra aty amin'ny Faritra misy antsika, miaraka amin'ireo mpiara-miombona antoka, hoy ny MPEB.
Sambo mpanara-maso
Miteraka voka-dratsy maro ny jono tsy ara-dalàna, tsy voambara ary tsy voafehin-dalàna. Sady manafoana ny harena an-dranomasina izy ireny, noho izy gaboraraka loatra, no mampahantra ny mpanjono madinika ihany koa. Araka izany, efa fotoana maro izao no nanomboka nanamafy ny ady amin’ny jono tsy ara-drariny ny MPEB. Isan’ny dingana lehibe vita, tao anatin’izany, ny fampitomboana ireo sambo ampiasain'ny Ivon-toerana fanaraha-maso ny jono (CSP) mba ho fiarovana sy ho fanaraha-maso ny sisin-dranomasin'i Madagasikara. Teo aloha dia sambo roa ihany no nampiasaina ho amin’izany, fa ankehitriny dia efa tafakatra 23 izany ary mbola hiampy 2, araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny MPEB. Afaka manatanteraka vonjy aina ihany koa ireo sambo ireo, raha sanatria misy loza andranomasina.
Nitarika ny fanolorana ny Drafitra Nasiônaly ho an’ny ady amin'ny INN, omaly, ny minisitry ny Jono sy ny toekarena Manga, Mahatante Paubert, niaraka tamin'ny solontenan’ny SADC, Alexander Kefi, sy ny Solontenan'ny WWF eto Madagasikara.