• Cours de change
  • 5038.48 AR
  • |
  • $4539.28 AR
Copyright Image : © Remapsen
Image
Vaovao

Fahasalamana : Any amin’ny 1/3-n’ny Distrika eto Madagasikara no ambony ny taham-pahafatesan’ny reny

07/04/2025 15:36 © Moov.Mg

Hetsika maro no notanterahina manerana an’i Madagasikara, ho an’ny androany 7 aprily 2025, ho fanamarihana ny andro eran-tany ho an’ny fahasalamana. Teny amin’ny Kianjan’ny CEG Ambohimangakely, Distrikan’Antananarivo Avaradrano kosa no nanatanterahana ny fankalazana nasiônaly, izay nahitana hetsika maro, nanomezana sehatra ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza.

« Fahasalamana mandritra ny fiterahana, miantoka ny ho avy feno fanantenana », no lohahevitra nosafidian’ny sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana (OMS), hanamarihana ny andro eran-tany ho an’ny fahasalamana, ho an’ity taona 2025 ity. Nandritra ny fandraisam-pitenenany no nilazan’ny solontena maharitry ny OMS eto Madagasikara, ny Pr Laurent Musango, fa tsy tokony heverina ho toy ny fandaniam-bola ny tetibola atokana ho an’ny fahasalamana, fa ho toy ny petra-bola ho an’ny ho avy. « Ny 1 dôlara atokana ho an’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza dia hahazoana 10 hatramin’ny 20 dôlara ho an’ny ho avy. Petra-bola hahazoana tomboly lavitra ezaka izany », hoy izy.

Fijerena ny maha-olona

Niombon-kevitra tamin’ny mpiara-miombon’antoka ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Randriamanantany Zely Arivelo, raha nanambara fa tafiditra ao anatin’ny andry telon’ny fitondram-pajakana ankehitriny, dia ny fijerena ny maha-olona, ny fijerena ny fahasalaman’ny vahoaka malagasy. Nambarany fa efa maro ireo ezaka vita mifandraika amin’izany. Isan’izany ny famatsiana fitaovana vaovao ho an’ny iray ampahatelon’ny tobim-pahasalamana fototra (CSB) eto Madagasikara.

Isan’ny anokanan’ny Fanjakana malagasy tetibola ihany koa ny fanaovam-baksiny, araka ny nambaran’ny minisitra, ka nahatratra 272 miliara ariary ny vola natokana ho an’ny vaksiny manerana an’i Madagasikara, nanomboka tamin’ny taona 2019 no nankaty. Eo amin’izay fahasalaman’ny zaza izay hatrany, dia efa nidina ny tahan’ny tsifanjarian-tsakafo mitarazoka eto Madagasikara tao anatin’ny taona vitsy izao, hoy hatrany ny minisitra, ka any amin’ny 39% izany ankehitriny ary ezahina hampidinina hatramin’ny 25% amin’ny taona 2030.

Tanjon’ny Fampandrosoana Lovainjafy

Efa nahitam-pidinana tahaka izany koa ny taham-pahafatesan’ny reny eo am-piterahana, raha ny antontan’isa nomen’ny Pr Randriamanantany Zely Arivelo. Ambony ny antontan’isa mazàna, satria vehivavy miteraka 408 isa amin’ny 100.000 isa no mamoy ny ainy eto Madagasikara. Raha ny hita anefa dia any amin’ny iray ampahatelon’ny Distrika manerana an’i Madagasikara sisa no manana taha ambony be tahaka izany, fa efa midina ambanin’ny 70 isa amin’ny vehivavy miteraka100.000 isa, ny roa ampahatelon’ny Distrika. Io taha io rahateo no Tanjon’ny Fampandrosoana Lovainjafy (ODD), araka ny fampahatsiahivan’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, araka izany, tokony ho tratra ny tanjona, raha mifanome tanana ny rehetra.

Isan’ny fomba entin’ny fitondram-panjakana mampisitraka fahasalamana ho an’ny rehetra ireo karazana hetsika ara-pahasalamana manakaiky vahoaka. Ho an’ny androany, dia nisy ny tolotra ara-pahasalamana isan-karazany, toy ny fanaovam-baksiny ny zaza, fitiliana ny tsifanjariantsakafo, ny fisafoana ho an’ireo vehivavy bevohoka, ny fitiliana ireo aretina isan-karazany, ny fitsaboana ny nify sy ny ati-vava… izay niarahan’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka nanatanteraka tamin’ireo mpiara-miombona antoka amin’i Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires