Tontolo iainana : Nohamafisina tamin’ny fomba isan-karazany ny ady amin’ny doro tanety tao Atsimo Atsinanana
Tonga nitsidika tao amin’ny faritra Atsimo-Atsinanana ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovain-jafy. Nandritra izany no nanamafisany tamin’ny fomba isan-karazany ny ady tokony hatao amin’ity doro tanety ity. Ity faritra ity izay nahitana tranga na doro tanety maro tamin’ny taona 2024 teo.
Ny tontolo iainana sy ny fampianarana
Mpiara-miasa mavitrika amin’ity ministera ity ny mpianatra eo amin’ny lafiny fiarovana ny tontolo iainana. Izany indrindra no nihaonan’i Minisitra Max Andonirina Fontaine, tamin' ireo tanora mpianatra tao Farafangana. Nambarany tamin' izany fa betsaka ny ala may tany an-toerana ny taona 2024 ka hita fa loza mitatao ho an' ny taranaka any aoriana izany. Antony nitondrany fanentanana tamin' ireto mpianatra. Mila ovaina tokoa mantsy ny toe-tsaina ka tsy maintsy arovana ny ala, tandremana ny filalaovana afo, satria i Madagasikara dia manana tanjona mba ho lovain' ny taranaka ny ala.
Tetsy ankilany dia tontosa tamin’izany fotoana izany ihany koa ny fifanaovan-tsonia handrindrana fiaraha-miasa eo amin' ny Talem-paritry ny Fanabeazam-pirenena sy ny Fitaleavam-paritry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovain-jafy Atsimo Atsinanana. Tanjona lehibe indrindra amin’izany ny hisian' ny fanamaitsoana an’i Madagasikara, fa indrindra ny Faritra Atsimo Atsinanana mba hisian' ny fampandrosoana.
Ny tontolo iainana sy ny olo ben’ny tanàna
Ankoatra ireo mpianatra dia nihaona tamin' ireo Ampanjaka ihany koa ny Minisitry ny Tontolo iainana. Tsy ny fitondram-panjakana ambony ihany no manana anjara toerana amin’izany fiarovana ny tontolo iainana izany. Nohamafisin'ireo olobe fa vonona ny amin' ny fiaraha-miasa ireto Ampanjaka ireto eo amin' ny fiarovana ny Tontolo iainana sy ny ady amin'ny doro tanety. Anjaran’izy ireo ihany koa no manentana amin’ny fomban’izy ireo any an-toerana mba hiadiana amin’io doro ala sy tanety io.
Tontolo iainana sy ny kolontsaina
Isan’ny hahafahana mitondra fanentanana sy hevitra samihafa ihany koa ny hira sy ny kolontsaina samihafa. Nampahafantarina nandritra ity fidinana ifotony ity ny hira mahakasika ny fanentanana amin'ny ady amin' ny doro ala. Novokarin'ny mpanakanto avy any amin'io Faritra Atsimo Atsinanana io ihany izany. Fiaraha-miasan'ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Atsimo Atsinanana sy ny Fitaleavam# paritry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana any amin' ny Faritra Atsimo Atsinanana io.