• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Fiarovana ny tontolo iainana : Mandroso ny dingana mankany amin’ny fanodinana ny fako ho azo ampiasaina

04/04/2025 15:00 © Moov

Mandray ny hetsika « zéro déchet » na hetsika tsy misy fako ny tanànan’Antsirabe ny 2 hatramin’ny 4 avrily. Hetsika natao hanentanana sy hampiroboroboana ny fihariana maitso sy ny fanomezan-danja ny fako amin’ny alalan’ny fanodinana azy ho lasa akora azo ampiasaina indray io. Maro ireo mpandray anjara, samy naneho ny vokany avy amin’izany.

Harena ny fako

Isan’ny ivon’ny hetsika ny fampirantiana samihafa ny vokatra azo avy amin’ny fanodinana fako, indrindra ireo zava-bitan’ireo avy ao Antsirabe sy ny manodidina. Ireo tanora ihany koa no tena nanana izay fahavitrihana sy izay fahaiza-mamorona avy amin’ny fako miparitaka izay. Naseho teo avokoa ny karazana vokatra azo avy tamin'ny fanodinana fako. Isan’izany ny haingon-trano, ny fitaovana fampiasa ao an-trano sy ao an-dakozia, ny akanjo sy ny lamba samihafa. Araky ny lohahevitra izay noraisina rahateo hoe, "fako voahodina miroso makany amin'ny lamaody ara-pitafiana" dia mirindra manaraka izany ny fanomezan-danja ny asa tanana sy ny fikajiana ny tontolo iainana. Araka izany, tompomarika tamin'ity hetsika « zéro déchet » andiany faharoa ity ny fikambanana Hosodoko-ko sy ny fitaleavam-paritry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy Vakinankaratra.

Tombontsoa maro

Hahazoana tombony isan-karazany ny fanodinana fako sy fampihenana ny fiparitahany. Sady miaro ny tontolo iainana sy manadio ny tanàna ny fanodinana ny fako, izay tombontsoa iombonana, no miteraka asa eo anivon’ny fiaraha-monina ary mitondra tombontsoa ara-toekarena maro ho an’ny firenena ihany koa. Ny minisitra Max Fontaine Andonirina, rahateo dia nanasongadina fa « tsy tokony ho vesatra intsony ny fako fa afaka ahodina ho harena », araka ny nambarany nandritry ny fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny lanonam-pankalazana.
Nifanindra-dalana tamin’izany dia nentanina ireo mpandray anjara tamin’ny hetsika sy ireo mpanatrika ny amin’ny fanavahana ny fako, hahafahana manamora ny fanodinana azy. Ity farany ity izay azon’ny rehetra hatao na isan-tokantrano aza.

Lire la suite

Articles Similaires