• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Att
Image
Vaovao

Fitaterana : Natsangana ny vaomiera miisa 6 hanatsarana ny fitaterana an-tanety eto Madagasikara

06/02/2025 11:38 © Moov

Nisy ny fihaonana teo amin’ny Minisitry ny Fitaterana sy Famantarana ny Toetrandro sy ireo solotenan'ny mpitatitra olona sy entana, teny Anosy tamin’ity herinandro ity. Tanjon’ny fihaonana ny fikarohana ireo fomba hanatsarana ny fitaterana an-tanety eto Madagasikara. Nandritra izany no nanapahana ny fananganana ireo vaomiera isan-karazany.

Voaray ny hodidina rehetra

Mitondra amin’ny fampandrosoana isam-paritra ny fisian’ny mpitatitra, na ireo mpitatitra olona na ireo mpitatitra entana. Isehoana olana samihafa anefa izy io ka hahafahana manatsara izany dia natsangana ireo vaomiera miisa 6 mba hanamafy ny asa isan-karazany. Ao anatin’izany ny vaomieran’ny fandriam-pahalemana. Ilain’ireo mpitatitra indrindra izany mba hahafahana miaro ny olona entiny sy ny entana isan-karazany. Tsara ny mampatsiahy fa saika mampitaraina ny mpitatitra hatrany ny tsy fandriam-pahalemana, indrindra eny amin’ny lalam-pirenena, ka heverina hanatsara ny asa ity vaomiera ity. Manampy izany ihany koa ny vaomieran’ny fotodrafitr’asa sy ny hetsika (opérations). Eo ihany koa ny vaomieran’ny didy aman-dalàna sy ny hetra sy izay manodidina izany ary ny vaomieran’ny fitantanana olona. Navahana mihitsy ireo vaomiera ireo mba ho afaka handray ny sehatra rehetra miodina amin’io fitaterana io.

Fiaraha-miasa maharitra

Entina mampitombo ny fanatsarana ny asa dia hisy ny fiaraha-miasa maharitra eo amin’ny mpisehatra eny ifotony sy ny fitondram-panjakana. Ireo Filoha sy Mpitantana rafitra fitaterana olona sy entana eto Madagasikara mantsy no handrafitra ny Kaomisiona. Hiara hiasa akaiky amin'izy ireo ny Ministera sy ny Sampan-draharahan’ny fitaterana an-tanety (ATT) amin’izany. Izany no hatao mba ho an’ny tombontsoan’ny rehetra. Ao anatin’izany ny mpitatitra sy ny mpandeha. Tsara ny manamarika fa isan’ny nandray anjara tamin’ny fihaonana ihany koa ny solontena avy ao amin’ny Koaminina Antananarivo Renivohitra. Manamafy hatrany ny fiaraha-miasan’ny rehetra izany.

Lire la suite

Articles Similaires