• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fondation Axian
Image
Vaovao

Fondation Axian : Notokanana ny lisea vaovao, mahazaka mpianatra 300, ao Alakamisy Fenoarivo

20/09/2026 12:05 © Moov.Mg

Notokanana omaly 19 septambra 2026 ny lisea vaovao ao Alakamisy Fenoarivo, distrikan’Antananarivo Atsimondrano, faritra Analamanga. Mahazaka mpianatra 300 isa ity fotodrafitrasa maoderina ity, izay novolavolain’ny Fondation Axian sy ny kaominina, ao anatin’ny fandaharanasa Sekoly Yas. Kendrena amin’izany ny hanamorana ny fahazoan’ireo tanora mianatra sy manohy ny fianarany ambaratonga faharoa.

Fotodrafitrasa hamaliana ny filàn’ny tanora

Tsy voatery handeha lavitra intsony ireo mpianatra ao Alakamisy Fenoarivo mba hanohy ny fianarany eny amin’ny lisea. Anisan’ny olana nosedrain’ny tanora sy ny fianakaviana teo an-toerana mantsy ny tsy fisian’ny lisea afaka nandray azy ireo, ka voatery nankany amin’ny kaominina hafa ireo mpianatra sasany. Niteraka fandaniana fanampiny ho an’ny ray aman-dreny izany, sady mety hisy fiantraikany amin’ny fahatongavan’ny mpianatra eny an-tsekoly.

Kaominina ahitana fokontany dimy i Alakamisy Fenoarivo, ka isan’izany ny faritra misy ny Polytechnique Vontovorona. Misy amin’ireo mpianatra no monina hatrany amin’ny dimy kilometatra any ambadiky ny Polytechnique, araka ny fanazavan-dRasolonirina Mendrika, Ben’ny tanàna. Naorina teo amin’ny ivon’ny kaominina, araka izany ny lisea, mba hanamaivanana ny fahasahiranan’ireo ankizy monina lavitra.

Efitrano fianarana enina sy fotodrafitrasa maoderina

Tamin’ny taona 2023 no nisokatra ny lisea tao Alakamisy Fenoarivo, ka mpianatra 146 tao amin’ny kilasy faha-10 (seconde) ihany no noraisiny tany am-piandohana. Tsy mbola nisy anefa ny fotodrafitrasa manokana tamin’izany, ka ny efitranon’ny EPP sy ny CEG teo an-toerana, izay malalaka, no nindramina mba hampianarana ireo mpianatra, mandra-pahavitan’ny lisea vaovao.

Ankehitriny, ahitana efitrano fianarana enina, efitrano ho an’ny mpampianatra, birao roa ary toeram-pidiovana ity lisea ity. Afaka mandray mpianatra 300 isa ny fotodrafitrasa, manomboka amin’ny taona faha-10 (seconde) ka hatramin’ny kilasy famaranana (terminale), telo taona taorian’ny nisokafany. Ny Fondation Axian no namatsy vola ny famitana ny rihana ambany sy ny fanitarana ny fotodrafitrasa, ka nahitana efitrano fianarana telo vaovao sy rihana iray fanampiny misy efitrano fianarana telo. Ny kaominina Alakamisy Fenoarivo kosa no miantoka ny fanaka sy ny kojakoja ilaina amin’ny fampandehanana ny lisea, ahitana dabilio sy latabatra miisa 150, latabatra lehibe enina ho an’ny mpampianatra ary sezamiisa enina. Anjaran’ny kaominina ihany koa ny fikojakojana ny fotodrafitrasa.

Fampihenana ny vesatra ara-bolan’ny fianakaviana

« Tsy ireo rindrina vita amin’ny simenitra no tena zava-dehibe, fa ireo tanora tsy voatery hifoha maraina be loatra sy hifindra any amin’ny kaominina hafa mba hianatra. Ireo fianakaviana ihany koa dia afaka amin’ny fanaovana safidy sarotra, noho ny vesatra ara-bola atrehiny », hoy Andrianasolo Mialisoa, tale mpanatanteraky ny Fondation Axian.

Nambarany fa ny Ben’ny tanànan’Alakamisy Fenoarivo mihitsy no nanatona ny Fondation Axian, nitondra ny hetahetan’ny mpianatra sy ny zava-misy iainan’izy ireo. Maro ny fangatahana fiaraha-miasa voarain’ny Fondation, ka miankina amin’ny mason-tsivana samihafa ny fisafidianana ireo tetikasa hotanterahina, toy ny filàna fotodrafitrasa sy ny fahasahiranan’ny mpianatra eny ifotony.

Sekoly Yas, fanatsarana ny sehatry ny fanabeazana

Nanomboka tamin’ny taona 2015 no nisian’ny fandaharanasa Sekoly Yas, tantanan’ny Fondation Axian. Maherin’ny 250 ireo sekoly efa naorina na navaozina, manerana an’i Madagasikara, ka mpianatra maherin’ny 61 000 no misitraka izany. Ny lisea ao Alakamisy Fenoarivo no sekoly faha-251 tafiditra ao anatin’ity fandaharanasa ity. Raha nifantoka tamin’ny fanabeazana fototra ny ankamaroan’ireo tetikasa, dia manamarika ny fanitarana ny sehatra iandraiketan’ny Fondation Axian ho amin’ny ambaratonga faharoa kosa ny fanohanana ny fanatsarana ity lisea ity.

Tonga nanome voninahitra ny lanonam-pitokanana ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Rajaonarison Sendra Nirina, niaraka tamin’ireo tomponandraikitra samihafa. Izao fotodrafitrasa izao, araka izany, dia vokatry ny fiaraha-miasan’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina ary ny kaominina, izay antoky ny fahafahan’ny tanora misitraka fanabeazana tsaara kalitao.

Lire la suite

Articles Similaires