• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Us Embassy
Image
Vaovao

Vonjy voina : Mateti-pitranga ny fahakendana amin’ny fotoanan’ny letisia, namafisina ny fahaizan’ireo mpitsabo

18/09/2026 13:13 © Moov.Mg

Mpitsabo sy mpiasan’ny fahasalamana, avy amin’ny hopitaly 57 isa ao Toamasina, no nisitraka fiofanana momba ny vonjy voina, nokarakarain’ny Masoivoho Amerikanina. Nifantoka tamin’ny fandraisana an-tanana ireo olona kenda ny ampahany tamin’ny fiofanana, indrindra noho ny fahamaroan’ity voina ity mandritra ny fotoam-piotazana letisia.

Manamafy ny fifehezana ireo teknika sy fitaovana vaovao

Mpianatra ho mpitsabo sy mpiasan’ny fahasalamana avy amin’ireo hopitaly miisa 57 ao Toamasina no nandray anjara tamin’ny fiofanana maimaimpoana momba ny vonjy voina, izay notarihin’ireo tompon’andraikitra misahana ny fahasalamana avy amin’ny Masoivoho Amerikanina sady mpampiofana avy amin’ny Vokovoko Mena Amerikanina, tamin’ny herinandro lasa teo. Ny Malagasy Youth Health Association (MYHA), notarihin’ny Dokotera Mialinirina Rakotomanana, no nandray anjara tamin’ny fikarakarana izany.

Tsy ny teoria ihany no nifantohan’ny fiofanana, fa nisy ihany koa ny fampiharana tamin’ny alalan’ny fampiasana fitaovana. Anisan’izany ny fampiasana ny « défibrillateur » ivelan’ny hopitaly. Namafisin’ny Dokotera Mialinirina Rakotomanana, izay nisitraka ny vatsim-piofanana YALI tamin’ny taona 2024, fa ilaina amin’ny famonjena aina ny fahafehezana ireo teknika sy fitaovana vaovao.

Nifantoka tamin’ny olona kenda

Ny fandraisana an-tanana ireo marary kenda no namaranana ny fiofanana. Voina mateti-pitranga mandritra ny fiakaran’ny letisia izany, any Toamasina, ka mitaky fandraisana andraikitra haingana. Tsy voatery hahazo vonjy ara-pitsaboana avy hatrany mantsy ireo tra-boina, raha miandry ny fahatongavana any amin’ny hopitaly. Ho an’ny Dokotera Zara Hassanaly Patrick, Talen’ny Fahasalamana ao amin’ny Faritra Atsinanana, dia mamaly ny filàn’i Toamasina ity fiofanana ity. Antenainy, araka izany, ny hipariahan’ny fahaiza-manao norantovina, any amin’ireo distrika enina hafa ato anatin’ny faritra izay sahaniny.

Ho tohin’ny fanohanana nomeny dia namela ny ampahany tamin’ireo fitaovana nampiasaina nandritra ny fiofanana ny Masoivoho Amerikanina, niampy « défibrillateur » iray sy ireo kojakoja fanolo miaraka aminy.

Lire la suite

Articles Similaires