• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Toetr’andro : Ao anatin’ny manasara-taona i Madagasikara, efa hiakatra miandalana ny mari-pana

16/09/2026 15:13 © Moov.Mg

Ao anatin’ny vanim-potoana manasara-taona i Madagasikara amin’izao fotoana izao, fa hiakatra miandalana ny mari-pana manomboka rahampitso alakamisy 17 septambra 2026. Mbola hifangaro anefa ny toetry ny andro, mandritra ity vanim-potoana ity, araka ny fanazavan’ny Foibe Famantarana ny Toetry ny Andro eto Madagasikara.

Mifandimby ny hatsiaka sy ny hafanana

Mamarana ny vanim-potoanan’ny ririnina isika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao ary miditra tsikelikely amin’ny lohataona. Mampiavaka izany ny fifangaroharoan’ny toetry ny andro. Mety mbola hangatsiaka, araka izany, amin’ny alina sy ny maraina, raha hafana kosa ny antoandro. Mbola hita kokoa ny volon’andro ririnina amin’ny maraina sy ny takariva, raha ny volon’andro lohataona kosa no manjaka rehefa antoandro.

Teo anelanelan’ny 18°C sy 20°C ny mari-pana ambony indrindra teto afovoan-tany omaly sy androany. Tombanana hiakatra ho 22°C hatramin’ny 23°C izany rahampitso, ary hitohy ny fiakaran’izany mari-pana izany amin’ny faran’ny herinandro sy mandritra ny herinandro ho avy. Manomboka amin’ny zoma ho avy izao dia mety hahatratra 25°C hatramin’ny 27°C, na hihoatra izany aza, ny mari-pana ambony indrindra eto afovoan-tany.

Mety hisy ny oram-baratra

Mifanindran-dalana amin’izay vanim-potoananan’ny manasara-taona sy fiakaran’ny mari-pana tsikelikely izay, dia mety hisy ihany koa ny oram-baratra. Mety hahazo vahana, mandritra izany, ny havandra, indrindra any amin’ny faritra avo sy afovoan-tany.

Raha ny toetry ny andro rahampitso alakamisy 17 septambra 2026, dia mety mbola handrahona ny maraina, saingy vinavinana hisava izany rehefa antoandro. Manomboka ny zoma kosa dia hafana kokoa ny andro, na dia mety mbola hisy ihany aza ny rahona amin’ ny maraina.

Lire la suite

Articles Similaires