Fiaraha-miasa : Miara Miahy sy FISA Madagascar manamora ny fahazoana tolotra ara-pahasalamana
Nanao sonia fifanarahana fiaraha-miasa ny trano fiantohana ara-pahasalamana « Fédération Mutuelle de Santé Miara Miahy » sy ny FISA Madagascar, androany 17 septambra. Tanjona ny hanamafisana sy hanamorana ny fahazoan’ny Malagasy tolotra ara-pahasalamana fototra. Efa nahazo ny fankatoavan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ity fifanarahana ity, ka ireo faritra mbola voafetra ny fahazoana tolotra ara-pahasalamana no tena kendrena.
Sehatra ara-pahasalamana 6 no ivon’ny fiaraha-miasa
Sehatra miisa 6 no ifantohan’ity fiaraha-miasa ity. Voalohany, ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana, izay ahitana ny fampahafantarana sy fanentanana, ary ny fanamorana ny fahazoana ireo fomba azo antoka handrindrana ny fiterahana, maimaim-poana na amin’ny vidiny mirary ho an’ireo mpikambana ao amin’ny trano fiantohana.
Ny faharoa kosa dia ny fahasalamana ara-pananahana. Tafiditra ao anatin’izany ny fanaraha-maso ny vehivavy bevohoka, ny fitsaboana aorian’ny fiterahana, ary ny fitiliana sy fitsaboana ireo aretina azo avy amin’ny firaisana. Anisan’ny tafiditra ao anatin’ny fifanarahana ihany koa ny fanabeazana ny tanora momba ny fahasalamana ara-pananahana. Mbola ao anatiny ihany koa ny ady sy ny fandraisana an-tanana ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo (IST) ary ny fitiliana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza.
Tsara moa ny manamarika fa ny Fédération Mutuelle de Santé Miara Miahy dia ahitana trano fiantohana ara-pahasalamana 11, miparitaka amin’ireo Faritra 22. Ary izy ireo no hiandraikitra ny fampiharana eny ifotony. Izy no hanentana ny mpikambana sy hanamora ny fahazoan’izy ireo ireo tolotra, miaraka amin’ireo tobim-pahasalamana fototra sy CSB.
Fanohanana ara-teknika sy ara-pahasalamana
Etsy ankilany, FISA Madagascar no hanome ny fanohanana ara-teknika sy ara-bola. Tafiditra ao anatin’izany ny fanofanana ireo mpiasan’ny fahasalamana, ny fanomezana fitaovana ara-pahasalamana sy vokatra ho an’ny fandrindrana ny fiterahana, ary ny fanaraha-maso ny kalitaon’ireo vokatra ireo. Hanohana ihany koa ireo hetsika fampahafantarana ho an’ny vahoaka ny FISA.
Tanjona ny hampidirana ireo tolotra ireo ao anatin’ny « panier de soins » omen’ny trano fiantohana. Io fiaraha-miasa maharitra 3 taona io ihany koa moa dia tokony hanamora ny fahazoana ny tolotra momba ny fahasalamana ara-pananahana sy ny fandrindrana ny fiterahana, indrindra any amin’ireo faritra lavitra. Hamafisina ihany koa ny fisorohana amin’ny alalan’ny fampahafantarana sy fanentanana. Izany rehetra izany dia mba hamaliana bebe kokoa ny filàn’ny fianakaviana.




