Rano fisotro madio : Nahazo fotodrafitrasa 3 vaovao ny any amin’ny Distrikan’Andapa
Nahitana taham-piakarana 11,8% ny fahazoana rano fisotro madio eto Madagasikara, araka ny tatitra navoakan’ny Ivon-toeram-pirenena momba ny antontan'isa (INSTAT) tamin’ny taona 2024. Manome tohana betsaka ho an’i Madagasikara amin’izany fisitrahana rano fisotro madio izany ireo mpiara-miombona antoka.
Ahazoana tombontsoa
Fotodrafitrasa famatsiana rano fisotro madio miisa telo izao no vao vita soa aman-tsara, tany amin’ny Distrikan’Andapa, Faritra SAVA, noho ny tohana ara-bola avy amin’ny Repoblika Federalin’i Alemaina. Afaka mandeha amin’ny herin’ny masoandro (hybride) ny iray amin’izany, izay naorina ao amin’ny kaominina ambanivohitra Ambodidivaina ary ahodin-tanana ny anankiroa, naorina ao amin’ny kaominina Ambanivohitra Bealampona. Napetraka ao anatina sekoly ny iray amin’ireo fotodrafitrasa ireo, mba hahafahan’ny mpianatra misitraka mivantana ny tombontsoa amin’ny fampiasana rano fitsotro madio sady hisorohana ireo karazan’aretina mety hateraky ny loto.
Tafiditra ao anatin’ny tetikasa « Rano madio fototry ny aina Andapa » izay tanterahin’ny fikambanana tsy miankina ONG Madio, ao amin’ny Faritra SAVA, ny fanorenana izao fotodrafitrasa izao. Ny fiaraha-miasa alemana kosa no mamatsy vola, ao anatin’ny hetsika fanohanana ireo tetikasa madinika tanterahin’ny Masoivohon’i Alemaina eto Madagasikara.
Manala fahasahiranana
Tsy ampy, amin’ny ankapobeny, ny fotodrafitrasa famatsiana rano fisotro madio ao amin’ny Distrikan’Andapa, ka voatery mandeha lavitra ny mponina vao mahita rano. Misy aza ireo toerana sasany tsy ahitana fotodrafitrasa momba ny rano mihitsy, toy ny ao Antanambaomaneno, Fokontany Antsavokabe sy ny tao Bealampona, izay vao nahazo fotodrafitrasa vaovao. Miteraka olana amin’ny andavanandron’ny mponina izany, ka isan’ny misedra ny mafy ireo renim-pianakaviana. Tsy vitan’ny lany andro sy lany hery mantsaka rano izy ireo, fa tsy afaka manatanteraka asa velon-tena ihany koa, hanampy ny fidiram-bolan’ny ankohonana.
Hanova ny fiainan’ireo mponina manodidina an’Ambodidivaina sy Bealampona, araka izany, ny fisian’ireto fotodrafitrasa famatsiana rano fisotro madio ireto. Ankoatra izay dia nizarana zanakazo ireo mponina, satria mamporisika ny fambolen-kazo ihany koa ny ONG Madio SAVA, mba ho fiarovana ny loharano tsy ho ritra.