Zon’ny mpamorona : Mpanakanto 34 hisitraka fisotroan-dronono eo anivon’ny OMDA, amin’ity taona ity
Mpanakanto mpamorona miisa 34 no hanomboka hisitraka fisotroan-dronono avy amin’ny Ofisy Malagasy miaro ny Zon’ny Mpamorona (OMDA) amin’ity taona 2026 ity. Hivoaka rahampitso 15 septambra ny lisitr’ireo nahafeno ny fepetra, raha efa 204 kosa ireo mpamorona misitraka izany amin’izao fotoana izao.
Tombontsoa ho an’ireo mpanakanto mpamorona
Anisan’ny tombontsoa azon’ireo mpanakanto mpamorona mpikambana ao amin’ny OMDA ny fisotroan-dronono. Ho an’ity taona ity, 34 ireo mpamorona nahafeno ny fepetra, ka hanomboka hisitraka izany. Isaky ny 15 septambra no avoakan’ny OMDA ny lisitr’ireo mpanakanto mahafeno ny fepetra. Araka ny fanazavan’ny Tale jeneralin’ny OMDA, Ranjarivo Andriamiharimanana Haja, dia tsy maintsy feno 60 taona ny mpamorona, efa mpikambana ao amin’ny OMDA nandritra ny 20 taona ary efa nandray zon’ny mpamorona tao amin’ny OMDA nandritra ny 15 taona. Isaky ny telo volana no andoavana ny fisotroan-dronono.
Rehefa tonga amin’ny taona fisotroan-dronono ny mpamorona, dia tsy alaina intsony ny ampahany amin’ny zon’ny mpamorona tokony horaisiny. Raisiny manontolo izany, raha mbola ampiasaina ampahibemaso ny sanganasany. Afaka mitohy, araka izany, ny fidiram-bolan’ny mpanakanto avy amin’ny sanganasany. Raha mbola mandeha amin’ny onjampeo na fahitalavitra, na ampiasaina amin’ny sehatra hafa ny sanganasany, dia mbola mahazo ny zon’ny mpamorona izy, ankoatra ny fisotroan-dronono raisiny avy amin’ny OMDA.
Fiahiana ireo mpanakanto zokiolona
Efa 25 taona teo ho eo izay no nametrahan’ny OMDA ny rafitra fisotroan-dronono ho an’ireo mpanakanto mpamorona. Rehefa mandray ny zon’ny mpamorona izy ireo, dia misy ampahany alaina ho latsakemboka fisotroan-dronono. Rafitra natao hiantohana ny fiahiana azy ireo rehefa tonga amin’ny fahanterana izany.
Ankoatra ny fisotroan-dronono, ny maha-mpikambana ao amin’ny OMDA dia ahafahan’ny mpamorona rehetra misitraka ny zon’ny sanganasany. Ny OMDA no misahana ny fitakiana izany zo izany amin’ireo mampiasa ny sanganasa, ary manome alalana amin’ny fampiasana azy ireny.




