11 desambra 2024 : Fifidianana kaominaly manerana an'i Madagasikara
Androany alarobia 11 desambra 2024, andro tsy fiasana nefa andraisan-karama, no hanatanterahana ny latsa-bato hifidianana ny Ben'ny Tanàna sy ireo Mpanolotsaina isaky ny kaominina manerana ny Nosy.
Tontosa tamim-pilaminana ny fampielezankevitra, izay nifarana ny 9 desambra. Nanana 21 andro ireo kandidà nandresen-dahatra ireo mpifidy amin'ny kaominina misy azy. Omaly, 10 desambra, dia fahanginana ara-pifidianana no natao, nentina niomanana sy nisaintsainana tsara. Androany 11 desambra kosa, latsa-bato no atao.
6 ora maraina hatramin'ny 5 ora hariva
Amin'ny 6 ora maraina dia efa misokatra ny biraom-pifidianana manerana ny Nosy. Efa nisy ny fandaminana mialoha sy ny fampiofanana ireo tompon'andraikitra mba tsy ho tara ny fivoahan'ny Birao fandatsaham-bato. Amin'ny 6 ora maraina, izany hoe amin'ny fisokafan'ny biraom-pifidianana dia tokony vata mangarahara tsy misy na inona na inona no aseho eo. Hidiana ampahibemaso izany vata izany vao azo ampiasaina.
Amin'ny 5 ora hariva kosa no mikatona ny Birao, ka minitra vitsy aorian'izay dia hanomboka ny fanisam-bato. Tokony afaka manatrika izany fanisam-bato izany avokoa ny rehetra izay nandray anjara tamin'ny fifidianana tao amin'ilay birao fandatsaham-bato.
Bileta tokana
Bileta tokana hatrany no fenoina, ka asiana fanamarihana manandrify ny sary sy ny anaran'ny kandidà tiana ho fidiana. Vato fotsy no anisana ny vato raha tsy misy marika ny bileta tokana. Vato maty kosa izany raha nisy fanamarihana roa na telo ao anaty bileta tokana : kandidà iray ihany no tokony fidiana.
Entanina ny rehetra, manana ny kara-pifidianana, mba handray anjara amin'ny fifidianana. Afaka mifidy ihany koa ireo voasoratra ao anaty lisi-pifidianana nefa tsy nahazo kara-pifidianana. Ilaina hatrany ny Karapanondro na Passeport ho fanamarinana ny mpifidy tsirairay.