Fitantanana ny loza: Hamafisina ny fanalefahana ny fiantraikan’ny loza amin’ny vehivavy sy ny olona marefo
Madagasikara, firenena tena marefo amin’ny loza voajanahary isan-karazany, toy ny rivo-doza sy ny hain-tany. Misy fiantraikany lalina amin’ny fiainan’ny mponina izany ary mbola mafimafy kokoa izany ho an’ny vehivavy sy ny olona marefo. Eo anatrehan’izany dia mikaroka ny hetsika rehetra azo atao hanalefahana izany fiantraikany izany amin’ny vehivavy, ireo sampana mitantana ny loza tamin’ny alalan’ny atrikasa, androany.
Nikarakara izany ny Cellule de Prévention et d'appui à la Gestion des Urgences (CPGU) izay miaraka amin’ny Primatiora. Eo ihany koa ny BNGRC sy ny Ministeran’ny mponina sy ny firaisain-kina ary ireo sampana samihafa.
Mbola betsaka ny ezaka mila atao
Ny loza voajanahary rehetra dia misy fiantraikany samihafa amin’ny olona rehetra, lehilahy, vehivavy, ankizy sy ny maro hafa na dia miray trano aza izy ireo. Miteraka olana ho an’ny mpitantana ny loza anefa izay fahasamihafana izay satria ny tarehimarika mivoaka dia mitambatra. Etsy andaniny anefa dia tokony hiavaka ny fomba fandraisana an-tanana ny karazan’olona. Mbola isan’ny ezaka mila hatao ihany koa ny fahazoana sy fahalalana ny kolontsaina sy ny fiainana isaky ny karazan’olona. Ireo rehetra ireo tokony raisina ho zava-dehibe rehefa mamonjy ny olona eny an-kianja eny ka hametrahana ny laharam-pahamehana amin’ny famonjena sy ny fandraisana an-tanana. « Nisy ny fanadihadiana izay natao ka nanome fa mafy kokoa ny fiantraikan’ny loza amin’ny vehivavy sy ny marefo. Araka izany tokony hisy fiavahana ny fomba famonjena azy ireo », hoy i Rabetaliana Rova, Tale Jeneralin’ny Ministeran’ny mponina. Isan’ny ezaka hatao ho fampitoviana ny zo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy izany hatao izany.
Atrikasa hamoahana paikady
Niavaka ny atrikasa izay notanterahina tamin’ity anio ity izay nandraisan’ny sampana mpitantana ny loza anjara. Raha ny tanjony dia ny hamoaka paikady isan-karazany hahafahana mampihena izay fiantraikany izay amin’ireo olona voasokajy ireo. « Isan’ny paikady azo atao ny fanamafisana ny fiaraha-miasan’ny fanjakana amin’ny tsy miankina. Eo ihany koa ny fiaraha-mientan’ny ministera sy ny sampan-draharaha rehetra ary ny fampiasana ny teknolojia hahafahana manana angona araka ny tokony ho izy », hoy hatrany ny fanazavana. Natao izany rehetra izany mba hiantohana ny fiarovana olona betsaka araka izay tratra, raha sendra loza voajanahary. Indrindra ny vehivavy sy ny vondrom-piarahamonina marefo.