• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Polisim-Pirenena
Image
Vaovao

Polisim-pirenena : Manokana herinandro fanomezan-dra, ho fankalazana ny faha-65 taonany

14/09/2026 16:01 © Moov.Mg

Manolotra ra ho famonjena ain’olona. Izany no anisan’ny fomba hanamarihan’ny Polisim-pirenena malagasy ny faha-65 taona nijoroany. Natomboka tamin’ny fomba ofisialy androany, 14 septambra 2026, tao amin’ny Hopitaly HJRA Anosy, ny herinandro natokana ho an’ny fanomezan-dra, izay tanterahina manerana ny Nosy.

Fandraisana andraikitra ho an’ny mpiara-belona

Polisy maro sy tomponandraikitra ambony eo anivon’ny minisiteran’ny Filaminambahoaka no tonga nanokatra ny hetsika tao amin’ny HJRA, androany maraina. Anisan’izany ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Filaminambahoaka, ny contrôleur général de police Julie Claudette Ranjavololona, sy ny tale jeneralin’ny Polisim-pirenena, ny contrôleur général de police Jean Victor Tsaramonina Ravony.

Ho an’ny Dr Tombofeno Jean Marc, tale jeneralin’ny tolotra ara-pahasalamana, izay nisolo tena ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, dia manan-danja amin’ny famonjena ireo marary ny hetsika fanomezan-dra tahaka izao. Nambarany fa mbola tsapa eny amin’ny hopitaly ny tsy fahampian’ny tahirin-dra, ka tena ilaina ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena amin’ny fanomezana izany.

Fanaraha-maso ara-paahasalamana

Namafisin’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Filaminambahoaka kosa, fa anisan’ny endrika iray entina manampy ny mpiray tanindrazana ny fanomezan-dra. Nanentana ireo Polisy manerana an’i Madagasikara izy, noho izany, mba handray anjara amin’ity hetsika ity. Tsy voafetra ho eto Antananarivo ihany mantsy ny hetsika. Mandritra ny herinandro dia tanterahina eny anivon’ireo fitaleavam-paritry ny Filaminambahoaka manerana ny Nosy izany fanomezan-dra izany.

Ankoatra ny hetsika fanomezan-dra dia nisy ihany koa ny fitiliana diabeta natao androany maraina tao amin’ny minisiteran’ny Filaminambahoaka Anosy. Tanjona amin’izany ny hanaraha-maso ny fahasalaman’ireo mpiasa eo anivon’ny Polisim-pirenena malagasy, mba hahafahan’izy ireo manatanteraka hatrany ny andraikiny. Hetsika maro samihafa no mbola hotanterahina, mandritra ity volana septambra ity, ho fanamarihana ny faha-65 taonan’ny Polisim-pirenena malagasy.

Lire la suite

Articles Similaires