• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Senvh
Image
Vaovao

Andro maneran-tany ho an’ny toeram-ponenana : Tokantrano miisa 7 nisitraka ireo tohana andiany voalohany tamin'ny Ankohonana Miarina

07/10/2024 15:05 © Moov

Nankalazaina androany 7 oktobra ny andro maneran-tany ho an’ny toeram-ponenana, teny Fieferamanga, Arivonimamo. Nifanindran-dalana tamin’izany indrindra no nanolorana ireto tokantrano miisa 7, ny tohana voalohany indrindra tamin’ny tetikasa Ankohonana Miarina. Trano iray sy tany mirefy 2 000 m2 ahitana jiro sy rano no natolotra azy ireo tamin’izany.

Andrana

Nihazakazaka tao anatin’ny fotoana vitsy ny fifindra-monina an-tanan-dehibe. Matetika anefa vao mainka tojo fahasahiranana izy ireo rehefa tonga aty. Eo ny vidim-piainana, ny hofantrano sy ireo fandaniana samihafa. Miteraka ny fatoriana andalambe na amin’ny trano tsizarizary izany. Izany indrindra no antom-pisian’ity tetikasa Ankohonana Miarina ity. Tanjona amin’izany ny hisarihana ireo fianakaviana hisehatra amin’ny lafiny fambolena sy fiompiana. Mbola andrana ihany no nanolorana trano ireto fianakaviana miisa 7 ireto. Rehefa mahomby izany dia hahatratra 100 000 ny vinavina manerana ny Nosy ao anatin’ny 5 taona. Marihina fa omena tohana toy ny fizarana biby fiompy sy fanolorana fampiofanana amin’ny fomba fambolena vaovao ireto mpisitraka ireto. Hikarakara io tany sy trano io ary hamokatra hahafahana manatratra ny fahavitan-tena ara-tsakafo kosa izy ireo ao anatin’ny 5 taona. Misy ny tombana any amin’ny fiafaran’ny fifanarahana ka rehefa nahomby izany dia hatolotra azy ireo tanteraka ny toerana sy ny biby fiompy. Ny Ministeran’ny mponina sy ny firaisankina, ny Sekreteram-panjakana Tanàna Vaovao sy Toeram-ponenana (SENVH) ary ny Sekreteram-panjakana miadidy ny fahavitan-tena ara-tsakafo no miara-misalahy amin’ny fanatanterahana ny tetikasa.

Mbola mila 8 tapitrisa

Tamin’ity andro iraisam-pirenena ity ihany koa no nampahafantarana fa mbola hatramin’ny 8 tapitrisa ny isan’ny filàna amin’ny toeram-ponenana manerana ny Nosy, raha ny tatitra avy amin’ny SENVH. Ilaina eto an-tanàn-dehibe ny 2 tapitrisa amin’izany. Etsy andaniny anefa dia laharam-pahamehana ny toeram-ponenana ambany vohitra. Raha ho an’ny tanàna vaovao eny Fieferamanga amin’izao fotoana izao dia miisa 10 no efa tafatsangana raha 83 no mbola hapetraka eny. Marihina ihany koa moa fa noraisina ny lohahevitra hoe « fanarenana ara-toekarena sy ara-tsosialy ireo tokantrano marefo an-tanàn-dehibe hampidirina anatin’ny tanàna vaovao ambanivohitra ». Araka izany, noraisina ho zava-dehibe tokoa ny fifindra-monina mankany ambany vohitra amin’izao fotoana izao.

Lire la suite

Articles Similaires