• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Canal + : 5 taona nanohanana ny Sarimihetsika Malagasy

04/10/2024 15:01 © Moov

Tsy zoviana amin'ireo mpanaraka horonantsary malagasy intsony ny Novegasy ho an'ireo mpanjifan'ny Canal +. Mitohy hatrany ny fiaraha-miasa sy ny fanohanana ireo trano mpamokatra ka efa ho 10 ny sombin-tantara hivoaka hatramin'ny 2025.

Fampiroboroboana ny tontolon'ny Sarimihetsika Malagasy

"Tsy nisy intsony ny horonantsary Malagasy raha tsy teo ny Canal + namorona ny Novegasy", hoy i Avoko Rakotoarijaona, talen'ny Avoko Production. Efa talohan'ny taona 2020 mantsy no nangina tanteraka ny Sarimihetsika Malagasy. Noho ny fisian'ny "Chaîne Novegasy", niverina nahazo aina indray ireo trano famokarana maro. Marobe ihany koa ireo tanora manan-talenta niditra teo amin'ny sehatry ny filalaovana sarimihetsika. Manaraka fepetra iraisam-pirenena avokoa moa ireo trano mpamokatra, mba hanomezana horonantsary tsara kalitao ho an'ny mpanjifa.
Asa goavana no ao ambadik'ireny horonantsary ireny, ka mendrika tohanana. Izany indrindra no tokony hiadivana mafy amin'ny hosoka, araka ny nambaran'ny tale jeneralin'ny Canal +, Onjatiana Razafindrakoto. Mbola ezaka goavana ny hanentanana ny Malagasy rehetra fa tsy tokony ho maimaimpoana velively ny fandaharana manokana alefa amin'ny fahitalavitra. Mivelona amin'ny horonantsary tokoa mantsy ireo mpamokatra sy mpilalao.

Tantara vahiny asiana feony teny Malagasy

Ny trano mpamokatra "Lamako Films" no hanatontosa ny famadihana amin'ny teny malagasy ny "Amar à Muerte/ Love to death", izay nalefan'ny Televisa tamin'ny taona 2018. Tazomina ny sary, saingy ny feo no atao amin'ny tenin-drazantsika. Hitondra ny lohateny hoe "Tia mandra-maty" izany ilay horonantsary. Tsy mora ny fanatontosana izany satria traikefa hafakely no ilaina, na dia ny feo fotsiny ihany aza no lalaovina. Tsy maintsy tazomina ny fenitra sy ny hevi-dehibe nitondran'ny mpanoratra azy, nefa mila omena lanja ihany koa ny kolontsaina malagasy, araky ny nambaran'i Hendritiana Ralambomahay, mpiandraikitra ny Lamako Co. Amin'ny taona 2025 no hivoaka izany horonantsary izany.

Tantara malagasy ranoray

Mbola mitohy hatrany ny fandefasana horonantsary malagasy amin'ny Novegasy. Ireto avy àry zany, miaraka amin'ny trano mpamokatra azy.
-Avoko Production : Naverin'ny mpamokatra sady nohatsaraina indray ilay horonantsary nalaza be 20 taona lasa izay, dia ny Ankilabao. "Ankilabao 2.0" no lohateniny amin'izany. Amin'ity volana oktobra ity no hisitraka izany ireo mpijery. Efa hivoaka ihany koa ny "WISA 5".
-Alpha Production : Zanaky ny Horizon Production ihany ity trano mpamokatra ity. Efa miomankomana ny hamoaka ny "Kodiaran-tsarety 2, Ny tena namana" izy ireo. Anisan'ireo mpilalao fototra ity tantara ity i Francis Turbo.
-Sarcom : Ho an'ireo mpankafy tantaram-pitiavana dia efa manangasanga any ho any ny "Anay". Ny mikasika ny vinanto sy ny rafozana no tena votoanton'ilay horonantsary.
-Lamako studio : Hitohy ny horonantsary "Fanga", ka ny andiany faharoa no ho arahin'ny mpijery tsy ho ela. Hiverina eo amin'ny fiainan'i Vero indray ilay zanany nariany.
-Maki Pro : Misy tranga mahagaga (paranormal) no tena votoanton'ny tantara ka tena hampitaintaina tokoa ny "Maizim-bolana". I Salohy no mpilalao fototra, izay namindran-drenibeny ny lova maha-mpamosavy.
-Pro Generation Studio : Horonantsary natao hojeren'ny fianakaviana manontolo ny "Miral". Tantarana tanora mpiray tampo 3 mianadahy zanaka ray ratsy toetra izy io.

Mbola mitohy hatrany ny fandefasan'ny Canal + ireo horonantsary malagasy ao amin'ny Canal 209 : Ankoso-bolamena, Zovy 3, Sipa 2,Baraingo.

Lire la suite

Articles Similaires