• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Radio Antsiva
Image
Vaovao

Olan’ny herinaratra : Mandrahona ny hidina an-dalambe ny mpianatra monina eny amin'ny Cité Ankatso II

01/10/2024 16:48 © Moov

Hidina an-dalambe hono ireto mpianatra monina ao amin’ny Cité Ankatso II, raha ny fanambaran’izy ireo, noho ny olan'ny herinaratra. Tsy nametraka ny fotoana hanatanterahany izany anefa izy ireo, na ny paikady fa hajanony ho tsiambaratelo izany. Raha tsiahivina dia nifarana omaly Alatsinainy 30 septambra 2024 ny 48 ora natao hifampiresahana ,hamahana ny olan'ny fatapahan-jiro lavareny eny amin'ny oniverisite. Noraisin’izy ireo izao fanapahan-kevitra izao rehefa tsy nahitam-bahaolana ny fidinana andalambe ny sabotsy lasa teo.

Ora telo miverina in-telo isan’andro

Toy ireo faritra maro eto andrenivohitra dia miaina izany fahatapahan-jiro izany ihany koa ireo mpianatra monina eny amin’ny tranon’ny mpianatra. Raha ny fanazavana avy amin’izy ireo dia maharitra hatrany amin'ny ora 3 ny fatapahana, miverina in-telo isan'andro izany. Raha hatambatra izany dia tsy mahazo jiro ireto mpianatra ireto afatsy 15 ora isan’andro. Ankoatra ny olana amin’ny fianarana izay mety hikorontana noho izany dia ny fiainana amin’ny ankapoben’ireo mpianatra mihitsy no misedra olana. Nanamarika mantsy ireto mpianatra ireto fa tsy mahazaka ny fitaovana ampiasaina handrahoana sakafo akory ny herinaratra misy eny an-toerana. Ireo « trano manara-penitra » anefa raha ny fanazavana dia tsy afaka hampiasaina harina fandrehitra. Tsy nisy ny vaha olana hatramin'ny androany Talata, hoy ny mpitondra tenin'ny mpianatra monina ao amin'ny cité. Tsy nanome fotoana sy ny paik'ady ireo mpianatra androany, fa ho avy tampoka ny hetsika hoy izy ireo.

Tsy misakafo

Raha tsiahivina, ny ankamaroan’ireo mpianatra monina eny amin’ny Cité dia mbola mpianatra eo Ankatso avokoa. Misy amin’izy ireny no sahirana ara-bola ka tsy afaka mividy sakafo ivelan’ny trano fa tsy maintsy mahandro. Mitaraina ireo mpianatra fa rehefa tapaka ny jiro, indrindra rehefa hariva na alina dia matory tsy misakafo ireo mpianatra. Toy izany ihany koa ny maraina ka voatery mandeha mianatra tsy misakafo ireo mpianatra. Izany rehetra izany no tena antony mahatonga ny fitarainan’ireo mpianatra ireo. Mety hiantraika amin’ny fahasalaman’ireto mpianatra ireto izany ka tsy maintsy hiroso amin’io fitokonana io izy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires