• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Passeportsanté
Image
Fahasalamana&Sakafo

Voankazo : isan’ireo sakafo mahasoa ny bevohoka

01/10/2024 15:02 © Moov.Mg

Mandritra ny fitondrana vohoka dia mitombo tokoa ny fatran’ny otrikaina ilain’ny vatan’ny bevohoka, indrindra mandritra ny telo volana fahatelo. Anisan’ireo sakafo mitondra otrikaina maro ny voankazo. Andeha ary ho resahana eto ireo karazana voankazo tsara hanin’ny bevohoka.

Ireo voankazo mitahiry fibra

Maro tokoa ny bevohoka mitohana matetika nohon’ny fikorontanan’ny hormonina sy ny faneren’ny zaza ao am-bohoka ny tsinay. Mba hiadiana amin’io fitohanana io dia mila omena fibra betsaka kokoa ny vatana ka ny voankazo no isan’ireo sakafo manankarena izany. Anisan’ireo voankazo be fibra tsara hoanin’ny bevohoka arak’izany ny frezy, voaroy, abricots, voaloboka, paoma, paiso sy ny fruits secs. Mba hampandaitra izany moa dia mila misotro rano tsy latsaky ny 1,5 litatra isan’andro ny bevohoka.

Ireo voankazo mitondra vitamina

Otrikaina manampy amin’ny fitombon’ny zaza ao an-kibo sy mampatanjaka ny reny ny vitamina. Ny voankazo dia sakafo natoraly manankarena vitamina. Marihana fa ilain’ny bevohoka avokoa ny vitamina rehetra. Misy nefa ireo tena mahasoa ka mila atao ampy tsara ka anisan’izany ny :
Vitamina B9 izay mandray anjara lehibe eo amin’ny fitombon’ny zaza manomboka izy vao mipetraka hatramin’ny fahaterahany. Matetika moa dia omena io vitamina B9 io manokana mihintsy ny bevohoka. Ankoatra izay dia mila mihinana ireo voankazo ahitana izany, toy ny litchi, papay, manga, akondro sy ny frezy.
Vitamina C izay manamafy sy mampitombo ny hery fiarovan’ny bevohoka. Ny voankazo toy ny voasary, voasary makirana, ny frezy ary ny kiwi no tena ahitana azy io. Mitahiry izany ihany koa ny goavy nefa tsy dia azo hoanina be loatra noho izy mety hampitohina.

Ny fomba tsara hinanana ny voankazo rehefa bevohoka

Maro ny fomba ahafahana mihinana ny voankazo mba hisitrahana ireo vokatsoa entin’izy ireo mandritra ny fitondrana vohoka. Azo hoanina amin’izao rehefa voasasa tsara, azo andrahoina atao compote na koa atao ranom-boankazo. Marihana nefa fa ny voankazo tsirairay dia samy mitahiry ny siramamy natoraly amin’ny fatrany samihafa.
Misy ireo tena mamy be, izany hoe be siramamy be. Ilain’ny vatana ny siramamy natoraly entin’ny voankazo nefa kosa tsy azo atao be loatra. Noho izany, tsy tokony hihoatra ny voankazo 3 isan’andro no hanin’ny bevohoka. Rehefa manao compote na ranom-boankazo dia tsara raha tsy asiana siramamy fa atao amin’izao.

Lire la suite

Articles Similaires