• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Hop Dans Le Wok
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanaovana pâte tsotra azo hamonosana nem na sambos

06/09/2024 14:44 © Moov.Mg

Tsakitsaky isan’ny be mpankafy ny nem sy ny sambos. Efa misy eny amin’ny mpivarotra eny ny pâte natokana hamonosana azy ireny. Azo atao ihany koa nefa ny manamboatra izany ao an-trano. Atoro eto ary ny fomba fanaovana pâte tsotra azo hamonosana nem na sambos.

Ireo zavatra ilaina

-Lafarina 300g ;
-Ronono masaka matimaty 25 sl ;
-Dibera 50g ;
-Levure 1 sotrokely ;
-Vinaigitra 1 sotrokely ;
-Sira 1 tsongo.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Atao anaty bol ny lafarina, sira, dibera natsonika, ny ronono matimaty, ny levure ary ny vinaigitra. Afangaro amin’ny tanana ny fangaro rehetra. Kosehina tsara mba hitambatra mandritra ny 5 hatramin’ny 8 minitra eo ho eo. Rehefa tsy miraikidraikitra intsony dia volavolaina hahazo boribory. Avela hipetraka anaty vatafampangatsiahana mandritra ny 30 minitra.
Rehefa vita ny 30 minitra dia avoaka ny pâte. Zaraina 8 ity farany ary volavolaina tsirairay hahazo boribory 8. Fisahana tsirairay eo ambony latabatra amin’ny alalan’ny rouleau à pâtisserie ireo boribory tsirairay. Tsara raha rarahana lafarina kely ny pâte efa nofisahana mba tsy hiraikitra.
Atao mifanaingina ny pâtes 4 avy eo miaraka fisahana indray. Atao toy izay ihany koa ireo ambiny. Rehefa vita fisaka tsara dia didiana ny sisiny ary tetehana araka izay ilaina azy ny pâte. Rehefa vita izay dia vonona afaka asiana sesika fanao amin’ny nem na amin’ny sambos ireo pâtes. Raha mbola tsy ampiasaina dia azo fonosina sac hermétique dia tehirizina anaty vatafampangatsiahana.

Lire la suite

Articles Similaires