• Cours de change
  • €4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © W
Image
Fahasalamana&Sakafo

Misotro kafe amin’ny alina : tena tsy mampahita tory tokoa ve ?

01/10/2026 15:06 © Moov.Mg

Maro ny olona mahatsikaritra fa tsy mahita tory rehefa misotro kafe amin’ny hariva na amin’ny alina. Misy ihany koa nefa ny olona sasany mbola matory tsara ihany na dia misotro kafe aorian’ny sakafo hariva aza. Inona àry no lazain’ny siansa mikasik’izany ? Ny valin'ny fanadihadiana ara-tsiantifika dia mampiseho fa tsy mitovy ny fiantraikan’ny kafe amin’ny torimaso eo amin’ny olona rehetra.

Amin'ny ankapobeny dia mety hanakorontana ny torimaso ny kafe

Ny kafeinina, izay singa mavitrika ao anatin'ny kafe, dia manaitaitra ny rafi-pitatitra (système nerveux). Izy io dia miasa amin’ny fanakanana ny « adonésine », akora iray ao amin’ny atidoha izay mampitombo tsikelikely ny fahatsapana reraka mandritra ny andro ary manampy ny vatana hiomana amin'ny torimaso. Rehefa voasakan'ny kafeinina io akora io dia mihena ny fahatsapana havizanana ary mitombo ny fahamailoana (état d’éveil).
Maro ny fikarohana nampiseho fa ny fisotroana kafe amin'ny folakandro na amin'ny alina dia mety:
-hanemotra ny fotoana hatoriana;
-hampihena ny faharetan’ny ora fatoriana;
-hampihena ny torimaso lalina, izay tena ilaina amin'ny famerenana ny herin'ny vatana;
-hampitombo ny fahatapaha-tory.
Ny fanadihadiana iray nivoaka tao amin’ny « Journal of Clinical Sleep Medicine » dia nahita fa ny kafeinina amin’ny fatra betsaka nosotroina enina ora mialoha ny hatory dia afaka mampihena ny faharetan’ny torimaso eo ho eo amin’ny adiny iray eo.

Tsy mitovy anefa ny fiantraikan’ny kafe eo amin’ny olona tsirairay

Na dia manakorontana ny torimaso aza ny kafe amin’ny olona maro dia misy fahasamihafana ny fiantraikan’izy io eo amin’ny olona tsirairay. Maro ireo anton-javatra manazava izany :
-Ny fototarazo (génétique) ;
-Ny taona ;
-Ny lanjan’ny vatana ;
-Ny aretina sasany ;
-Ny fanafody raisina ;
-Ny fahazarana misotro zava-pisotro misy kafeinina.
Misy karazan’olona mahavita manala haingana ny kafeinina ao amin’ny vatany. Misy kosa ireo miadana kokoa ny fiasan’ny « métabolisme » ka somary ela vao afaka ao amin’ny vatany ny kafeinina. Noho izany, raha misy olona roa nisotro kafe mitovy tamin’ny fotoana mitovy dia mety samihafa tanteraka ny fihetsiky ny vatany rehefa tonga ny ora hatoriana.

Afaka matory tsara ve izany raha misotro kafe amin'ny alina?

Tsy voatery tsy mampahita tory ny fisotroana kafe amin’ny alina. Maro moa ireo olona milaza fa matory tsara tsy misy olana na dia nisotro kafe aza ny alina alohan’ny hatory. Na izany aza nefa dia tsy midika izany fa tsy misy fiantraikany amin’ny kalitaon’ny torimaso ilay kafe. Araka ny fikarohana dia mety hampihena ny torimaso lalina sy hanova ny firafitry ny torimaso ny kafeinina, na dia mahatsapa fa natory tsara aza ilay olona.
Raha lazaina amin'ny teny hafa dia mety ho mora resin-tory izy fa kosa dia mampahazo hery sy manala havizanana loatra ny torimasony.

Zava-dehibe ihany koa ny habetsahan'ny kafe sotroina

Tsy mitovy ny habetsahan'ny kafeinina ao anatin'ny karazana kafe samihafa. Araka ny fikarohan’ireo manam-pahaizana dia voalaza fa ny fatra ambany ny kafeinina izay manodidina ny 100mg dia misy fiantraikany kely kokoa amin’ny torimaso raha oharina amin’ny fatra avo manodidina ny 400mg. Vao mainka moa miseho ny fiantraikan’izany rehefa akaiky ny ora hatoriana no nisotroana azy. Noho izany dia tsy mitovy ny vokatry ny kafe kely iray kaopy sy ny fisotroana kafe maromaro na kafe matanjaka be amin'ny hariva.

Hafiriana no mijanona ao amin'ny vatana ny kafeinina?

Araka ny fanadihadiana dia mety hoesorin’ny vatana ao anatin’ny adiny 2 hatramin’ny 12 ora ny antsasaky ny kafeinina ao aminy, miankina amin’ny olona tsirairay. Amin’ny ankamaroan’ny olon-dehibe dia eo amin’ny 4 ka hatramin'ny 6 ora eo ho eo izany.
Midika izany fa raha misotro kafe misy kafeinina 100 mg amin'ny 6 ora hariva ny olona iray dia mbola mety hisy kafeinina betsaka tavela ao amin'ny vatany rehefa tonga ny fotoana hatoriana. Izany no antony anoroan'ny manam-pahaizana maro ny tsy hisotroana zava-pisotro misy kafeinina farafahakeliny adiny 6 hatramin'ny 8 ora alohan'ny hatory.

Lire la suite

Articles Similaires