• Cours de change
  • €4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © W
Image
Fahasalamana&Sakafo

« Paralysie cérébrale » : ny tsara fantatara mikasik’izany

06/10/2026 15:26 © Moov.Mg

Ny « paralysie cérébrale » dia vondrona fahasembanana ara-neôrolojika izay misy fiantraikany amin'ny fivezivezena, ny fitazonana ny fifandanjana ary ny fihetsiky ny vatana. Izy io no fahasembanana ara-motera fahita indrindra amin'ny ankizy. Tsy aretina miharatsy tsikelikely izy io, satria tsy mitombo ny fahasimban'ny atidoha nahatonga azy. Mety hiova kosa ny soritr’aretina rehefa mandeha ny fotoana. Marihana isan-taona ny faha-06 Oktobra moa ny andro maneran-tany ho an’ny « paralysie cérébrale ».

Inona no atao hoe « paralysie cérébrale » ?

Ny « paralysie cérébrale », na ny fahatapahan'ny fifehezan'ny atidoha ny hozatra, dia vokatry ny fivoarana tsy ara-dalàn’ny atidoha na fahasimban'ny atidoha mbola eo am-pivelarana.
Matetika mandritra ny fitondrana vohoka, amin’ny fotoana fiterahana na ao anatin’ny taona voalohany amin’ny fiainan’ny zaza izany no mitranga. Misy fiantraikany amin'ny fahafahan'ny atidoha mifehy ary mibaiko ny hozatra sy ny fihetsika moa izany.
Mety tsy hitovy be ny fisehon'ny aretina amin'ny olona tsirairay. Misy ireo manana fahasahiranana kely amin'ny fivezivezena, fa misy kosa ireo mila fanampiana isan'andro mandritra ny androm-piainany.

Inona avy ireo soritr'aretina mahazatra?

Mety hiseho dieny mbola zaza ny famantarana voalohan’ny aretina « paralysie cérébrale ». Anisan'ireo soritr'aretina matetika hita ny:
-hozatra mihenjana sy mafy (spasticité) ;
-fihetsika tsy voafehy tsara ;
-fahasarotana amin'ny fitazonana fifandanjana sy fandrindrana ny fihetsika ;
-fahatarana amin'ny fianarana mipetraka, mandady na mandeha ;
-fomba fandeha tsy mahazatra.
Ankoatra izany dia misy amin’ireo olona maro voan'ity fahasembanana ity no mety hanana:
-olana amin'ny fitenenana ;
-fahasembanana amin'ny fahitana na fandrenesana ;
-androbe (épilepsie) ;
-olana amin'ny fianarana sy faharanitan-tsaina ;
-fivilanan'ny hazondamosina na olana amin'ny tonon-taolana.

Ireo karazana « paralysie cérébrale »

Sokajian’ireo manam-pahaizana arakaraky ny tsy fahatomombanan’ny fihetsika hita amin’ny marary ireo karazana « paralysie cérébrale ».
-Karazana « spastique » : ity no karazana fahita indrindra ary manodidina ny 80 %-n'ny tranga no voakasik'izy io. Mafy sy mihenjana ny hozatra ka manasarotra ny fivezivezena.
-Karazana « dyskinétique » : izy io dia mampisy fihetsika tsy voafehy, izay mety ho miadana sy mivilivily na tampoka sy haingana.
-Karazana « ataxique » : miteraka olana indrindra amin'ny fifandanjana sy ny fandrindrana ny fihetsiky ny vatana izy ity.
-Karazana mifangaro : Misy olona sasany ahitana soritr'aretina avy amin'ny karazana « paralysie cérébrale » maro miaraka.

Inona avy ireo antony sy ireo lafin-javatra mampitombo ny « risques »?

Tsy voatery fantatra mazava hatrany ny antony mahatonga ny « paralysie cérébrale ». Na izany aza dia fantatra fa mety hampitombo ny « risques » ny :
-fahaterahana aloha loatra (prématurité) ;
-lanja ambany loatra rehefa teraka ;
-aretina sasany mandritra ny fitondrana vohoka ;
-tsy fetezan'ny fivoaran'ny atidoha ;
-rà mitsonika ao amin'ny atidoha na tsy fahampian'ny oksizena miantraika amin'ny atidoha mbola eo am-pivelarana.
Ny fikarohana taty aoriana ihany koa dia manondro fa mety hisy anjara toerana amin'ny tranga sasany ny antony ara-pirazanana (génétique).

Ahoana no hamantarana azy?

Mifototra amin'ny fanaraha-maso ny fivoaran'ny zaza sy ny fizahana ara-neôrolojika ny fitiliana. Mety hampiasaina ihany koa ny fitiliana amin'ny alalan'ny sary toy ny IRM. Zava-dehibe ny fahitana azy mialoha satria manampy amin'ny fanombohana haingana ny fitsaboana sy ny fanohanana mety izany.

Misy fitsaboana ve ny "paralysie cérébrale"?

Amin'izao fotoana izao dia mbola tsy misy fitsaboana mahasitrana tanteraka ny « paralysie cérébrale ». Na izany aza anefa dia misy fomba maro afaka manampy amin'ny fanatsarana ny kalitaon'ny fiainana sy ny fahaleovantenana, ka anisan’izany ny:
-« kinésithérapie » ;
-« ergothérapie » ;
-« orthophonie » ;
-fanafody manampy hampihenana ny fihenjanan'ny hozatra ;
-fitaovana manampy amin'ny fivezivezena ;
-fandidiana amin'ny tranga sasany.
Araka ny fikarohana ara-tsiansa, ny fandraisana an-tanana sy fitsaboana mialoha dia afaka manatsara ny fahaizan'ny zaza mihetsika sy ny fivoarany amin'ny ankapobeny.

Lire la suite

Articles Similaires