• Cours de change
  • €4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © W
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo antony tsy ampoizina mety mampihena ny fifantohana

05/10/2026 13:19 © Moov.Mg

Sahirana mifantoka amin’ny asa, mora variana rehefa mamaky na mianatra, manadino zavatra matetika… Isan’ireo toe-javatra fahita izy ireo rehefa mihena ny fifantohana. Matetika heverina ho vokatry ny havizanana na ny fandrosoan’ny taona no mahatonga azy io. Marihana nefa fa misy antony maro hafa, indraindray tsy dia eritreretina loatra, izay mety hisy fiantraikany amin’ny fahafahan’ny atidoha mifantoka. Araho eto ny santionany amin’izany.

Antony tsy ampoizina mety mampihena ny fifantohana : ny tsy fahampian-tory

Anisan’ny tena ilain’ny atidoha ny torimaso. Raha tsy ampy ny ora fatoriana na ratsy ny kalitaon’ny torimaso, dia mety hihena ny fifantohana, ny fitadidiana ary ny fahaizana mandray fanapahan-kevitra. Araka ny voalazan’ny « National Heart, Lung, and Blood Institute (NHLBI) » dia mety hiteraka fahasarotana amin’ny fifantohana, fianarana ary famahana olana ny tsy fahampiana torimaso, eny na dia kely aza. Maro tokoa ny olona zatra matory ora vitsy ka tsy mahatsapa intsony fa efa misy fiantraikany amin’ny fiasan’ny sainy izany.

Tsy fahampiana rano ao amin’ny vatana

Tsy rehefa manao fanatanjahantena mafy na rehefa mafana be ihany ny andro no mila atao ampy rano tsara ny vatana. Ny tsy fahampiana rano, na dia kely aza, dia mety hisy fiantraikany amin’ny fiasan’ny atidoha. Misy ireo fikarohana ara-tsiansa izay mampiseho fa ny tsy fahampiana rano dia mety hampihena ny fahamalinana, ny fitadidiana ary ny fifantohana. Hitan’ireo mpikaroka ihany koa fa na very rano 1 ka hatramin’ny 2 % monja aza ny vatana dia efa mety hisy fiantraikany amin’ny fahombiazan’ny asa ara-tsaina izany. Zava-dehibe arak’izany ny fisotroana rano ampy isan’andro.

Rarintsaina maharitra

Tsy ny toe-po ihany no voakasiky ny rarintsaina. Rehefa maharitra izy io dia mampiasa mafy ny vatana sy ny atidoha, ka mety hampihena ny fahafahana mifantoka amin’ny asa iray. Anisan’ny soritr’aretina matetika ateraky ny rarintsaina moa ny fanadinoana zavatra, ny fahasahiranana mifantoka ary ilay antsoina hoe “brouillard mental” na fahatsapana ho misafotofoto ny saina. Mety hanelingelina ny torimaso ihany koa ny « stress », ka vao mainka mampitombo ny olana amin’ny fifantohana.

Tsy fahampiana « fer »

Matetika rehefa miresaka tsy fahampiana « fer » dia ny havizanana sy ny tsy fahampian-drà no fiantraikany voalohany tonga ao an-tsaina. Mety hisy fiantraikany amin’ny fifantohana ihany koa nefa izy io. Araka ny fanadihadiana navoakan’ny « Journal of the American Medical Association (JAMA) » dia mety hampihena ny fifantohana ny tsy fahampiana « fer » na dia mbola tsy tena voan’ny tsy fahampian-drà mafy aza. Ny vehivavy mbola miteraka, ny bevohoka ary ny olona manana olana amin’ny fandevonan-kanina no isan’ireo mora tratran’io tsy fahampiana « fer » io.

Aretina na fanafody sasany

Indraindray, ny fihenan’ny fifantohana dia mety ho famantarana olana ara-pahasalamana miafina. Ny olana amin’ny torimaso, ny fahaketrahana, ny tebiteby na aretina mitaiza sasany dia mety hisy fiantraikany amin’ny fifantohana sy ny fitadidiana. Toy izany ihany koa ny fanafody sasany. Raha maharitra herinandro maromaro ny olana na miaraka amin’ny soritr’aretina hafa, dia tsara ny manatona mpitsabo.

Ahoana no atao hanatsarana ny fifantohana?

Ireto misy fahazarana tsotra afaka manampy mba hanatsarana ny fifantohana :
-Matory ampy isak’alina,
-Misotro rano ampy isan’andro,
-Mampihena ny fanelingelenana avy amin’ny finday sy tambajotra sosialy,
-Maka aina fohy rehefa manao asa maharitra,
-Manao fanatanjahantena tsy tapaka,
-Mihinana sakafo voalanjalanja,
-Manatona mpitsabo raha maharitra ny havizanana na ny olana amin’ny fifantohana.

Lire la suite

Articles Similaires