• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Crépin
Image
Vaovao

Mahajanga : Misy mametraka ody gasy ny fitsaràna

07/07/2024 06:55 © Midi Madagasikara

Karazan’ody gasy no misy mametraka eo amin’ny lapan’ny fitsaràna ambaratonga voalohany ao an-drenivohitr’i Mahajanga. Vavan-gana izay mifatotra gadàna indray no nisy nahita tao an-toerana tamin’ity herinandro ity. Vao tsy ela talohan’io dia nisy nametraka atody lamokany miaraka amin’ny fatipatin-javatra koa tao amin’ny fitsaràna. Tsy fantatra mazava ny antony na dia misy ny milaza fa entina hampanginana no dikan’ireo zavatra ireo. Hampangina an’iza anefa? Ny mpitsara sa ny mpitory sa ny mpiasan’ny fitsaràna? Fanontaniana mipetraka ary saro-baliana satria tsy hita ny olona tompon’antoka amin’ireo ody ratsy. Mila fandinihina ihany ny tompon’andraikitra satria misy mitady hanapotika ny toerana. Matetika vahaolana amin’ny zavatra toa ireny dia ny fitondràna ireo mpiandry izay miasa manala devoly amin’ny toerana. Io anefa dia miankina amin’ny finoan’ny tsirairay ary tsy azo hifanerena. Biraom-panjakana rahateo ny resaka eto fa tsy tranon’olon-tsotra. Miankina tanteraka amin’ny tompon’andraikitra ny fanapahan-kevitra.

Lire la suite

Articles Similaires