MAKUA FESTIVAL MUSIC 2026 : Mpijery 30 000 isan'andro no andrasana ao Toamasina, mandritra ny 3 andro
Fetibe ao Toamasina mandritra ny "Vacances de Toussaint". Ho tanterahina ny 29 oktobra hatramin'ny 1 novambra ho avy izao ny Makua Festival Music 2026.
Miverina sady hihatsara ny MAKUA FESTIVAL MUSIC. Olona an'aliny maro avy amin'ny lafy valon'ny nosy no andrasana ao Toamasina : fampisehoana, fifanakalozana ara-kolontsaina, fisitrahana vokatra maro avy ao amin'ny faritra atsinanana, …
Fanandratana an'i Toamasina
Ny hampiroborobo ny sosialy, ekonomia sy ny kolontsaina ao Toamasina no tena votoanton'ny Makua Festival Music, araka ny fampahatsiahivan'ny mpikarakara, Shyn & Denise. Amin'ny alalan'izany hetsika koltotaly goavana izany no hanomezan-danja sy hampahafantarana misimisy kokoa ireo talenta, harena sy vokatra ao an-toerana. Misy ihany koa nefa ny fifanakalozana ara-kolontsaina satria avy amin'ny faritra maro manerana ny Nosy ireo mpanakanto hanafana ny sehatra. Amin'ity andiany faharoa ity, hahazo vahana manokana ireo mpanakanto mpiangaly ny mozika nentim-paharazana. Hisy ny fampisehoana Vakodrazana, hira gasigasy sy kaiamba amin'ny andro voalohany.
Hahazo tombony mivantana ireo mpisehatra amin'ny fizahantany satria antenaina fa ho maro kokoa ireo mpizahatany sy mpiala sasatra ho avy. Amporisihina ny famandrihana trano fandraisam-bahiny mialoha, mba hilamina tsara ny fivahiniana ao Toamasina.
Fandaharam-potoana feno, ho an'ny rehetra
Hahazo fahafaham-po ny sokajin-taona rehetra amin'ity MAKUA FESTIVAL MUSIC 2026 ity. Amin'ny 12 ora atoandro dia hisokatra ny vavahady isan'andro, ka hisy ny fampifaliana sy fialamboly isan-karazany : varotra sakafo sy kojakoja isan-karazany, kilalao, "garderie" ho an'ny ankizy, animation DJ, sns. Ny takariva kosa, hisy fampisehoana hatrany, izay atolotry ny mpanakanto miisa 10 farafahakeliny.
Hanokafana ny hetsika moa ny "Carnaval" goavana, ny marainan'ny zoma 29 oktobra. Hisongadina amin'io fotoana io ireo karazana fianjaika sy famoronana zava-kanto amin'ny alalan'ny akanjo # tarehy # taovolo. Ho tsaraina ireo mpandray anjara, ka loka 3 no ho zaraina : 2.000.000 ar ho an'ny laharana voalohany, 1.000.000 ar ho an'ny laharana faharoa ary 500.000 ar ho an'ny laharana fahatelo.
Fandriampahalemana sy fifandraisana azo antoka
Tsy ao amin'ny faritra handraisana ny MAKUA FESTIVAL MUSIC 2026 ihany, izany hoe ny faritry ny Miami teo aloha, no ho azo antoka ny filaminana. Hifarimbona ny polisim-pirenena, ny zandarimaria sy ireo mpiambina sivily hiantoka ny fandriampahalemana ao Toamasina. Ho an'ny toerana filanonana manokana, hisy ny fisavana ireo mpandray anjara sy mpijery. "Scanner" avolenta no ho ampiasaina amin'izany, mba hahazoana antoka fa tsy misy mitondra zava-maranitra na fitaovana mampidi-doza ao an-toerana. Miantoka ny fifandraisan-davitra kosa ny Yas Madagascar, tambazotra mpanohana ofisialy ny hetsika.
Tsara ny manamarika fa efa azo jifaina ao amin'ny MakuaTicketing.net ny tapakila, ka 50 000 ariary ny vidiny ho an'ny fidirana 3 andro. Raha vidiana mandritra ny hetsika kosa ny tapakila dia 20 000 ariary isan'andro ny vidiny.





